FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Orima sy Tomima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nataon’i Mosesy tao amin’ilay saron-tratra nampanaovina an’i Arona ny Orima sy Tomima. (Le 8:8) Azo adika hoe “eo ambonin’ny” ilay teny hebreo eo nadika hoe ‘ao amin’ny’, nefa nadika koa izy io hoe ao anatin’ny (Ek 25:16, momba ireo takela-bato roa natao tao anatin’ny Vata misy ny fifanekena). (Ek 31:18) Misy milaza fa ireo vato 12 napetaka teo amin’ny saron-tratra ny Orima sy Tomima. Efa natao teo amin’i Arona anefa ny saron-tratra misy vato 12 nozairina teo amin’izy io, vao natsofoka tao anatin’izy io ny Orima sy Tomima (rehefa napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona). Tsy ireo vato oniksa roa teo amin’ny soroky ny efodan’ny mpisoronabe koa izy ireo, rehefa jerena ny Eksodosy 28:9, 12, 30. (Ek 28:9-14) Zavatra hafa mihitsy àry izy ireo.

  • Orima sy Tomima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Mety ho antsapaka. Toa fanontaniana nilana valiny hoe “eny” na “tsia”, na valiny mivantana tena fohy avy tamin’i Jehovah no nampiasana ny Orima sy Tomima, rehefa jerena ny Baiboly. Indray mandeha (1Sa 28:6), dia ny Orima ihany no voaresaka, nefa azo antoka fa nampiasaina koa ny Tomima.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara