FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lamba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Karôkarô ny tenon’ny akanjo fotsy lava vita tamin’ny rongony tena tsara nanaovan’ny mpisoronabe taranak’i Arona. Porofo izany fa nahay nanenona lamba misy sorany ny Israelita.​—Ek 28:39.

  • Fitafiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Toa ilay antsoin’ny Grika hoe kitôn ihany no antsoin’ny Hebreo hoe kottônet. Akanjo lava hatreo amin’ny lohalika na kitrokely izy io, lava na fohy tanana, ary nanaovana tao an-trano na teo amin’ny manodidina ny trano. Lamba nasampy teo amin’ny soroka iray ny kottônet na kitôn sasany, ary niloko fotsy na hafa. Mety ho nisy dakany 30 sm teo ho eo ny andaniny roa tamin’ny kottônet na kitôn lava kokoa, mba hahafahana hamindra. Nisy vita tamin’ny lamba rongony, nefa vita tamin’ny volonondry ny ankamaroany, indrindra fa ny an’ny mahantra. Nanaovan’ny lehilahy sy vehivavy izy io, saingy azo inoana fa lava kokoa ny an’ny vehivavy.

      Kottônet no ilazana ny akanjon’ny mpisoronabe sy ny mpisorona (Ek 28:39, 40), sy ny akanjo lava mitsipitsipika nisy tanany nanaovan’i Josefa (Ge 37:3), ary ilay akanjo mitsipitsipika nanaovan’i Tamara (izay norovitiny rehefa nalahelo izy fa afa-baraka). (2Sa 13:18) Tenona iray tsy nisy zaitrany ilay akanjo anatiny (kitôn) nanaovan’i Jesosy izay nataon’ny miaramila antsapaka. (Jn 19:23, 24) Toa nasiana fehikibo (toy ny nataon’ny mpisorona) ny kottônet na kitôn tamin’ny ankapobeny, nefa azo tsy nasiana koa. Toa samihafa ny didiny, arakaraka ny asan’ilay nitafy azy. Angamba ilay fohy kokoa no nanaovan’izay niasa na nanao asa vatana, mba tsy ho voafingana. Mety tsara ilay fanoharana nolazain’i Joda (and. 23) satria nanolo-koditra ny kitôn.

  • Satroka, Fehiloha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Fehiloha nanaovan’ny mpampakatra ny hoe peʼer (Is 61:10), sady nanaovana rehefa faly. (Is 61:3; ampit. Ezk 24:17, 23.) Io koa no ilazana ny saron-dohan’ny vehivavy (Is 3:20) sy ny satroka lamban’ny mpisorona.​—Ezk 44:18.

  • Mpisoronabe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Akanjony. Nanao akanjo vita tamin’ny lamba rongony toy ny an’ny mpisorona ny mpisoronabe, rehefa nanao ny asany mahazatra. Nanao akanjo mihaja sy tsara tarehy kosa izy indraindray. Resahin’ny Eksodosy toko faha-28 sy 39 ny didin’ireo akanjo ireo sy ny nanamboarana azy, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy. Akanjo lava (heb.: kottônet) vita tamin’ny rongony tena tsara (fotsy angamba), sady natao karôkarô ny tenony, no akanjo anatiny indrindra (ankoatra an’ireo kilaoty lava vita tamin’ny lamba rongony “avy eo amin’ny andilana ka hatreo amin’ny fe”, izay nanaovan’ny mpisorona “mba hanaronan’izy ireo ny fitanjahany”; Ek 28:42). Toa tsy nisy vitrana ilay akanjo ary lava tanana sy hatreo an-kitrokely. Nisy fehikibo lamba ilay izy. Notenomina tamin’ny kofehy rongony miolana tsara, sy kofehy manga sy volomparasy somary mena, ary kofehy mena midorehitra ilay fehikibo, ary nafatotra teo amin’ny andilana angamba.​—Ek 28:39; 39:29.

      Natao tamin’ny lamba rongony tena tsara koa ny satroka, izay tsy nitovy tamin’ny saron-dohan’ny mpisorona lefitra. (Ek 28:39) Nafatotra teo anoloana tamin’ilay satroka ny takelaka mamirapiratra vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony, izay nisy soratra hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana.” (Ek 28:36) Io takelaka io no “famantarana masina hoe voatokana” ilay mpisoronabe.​—Ek 29:6; 39:30.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara