FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Vidim-panavotana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Manampy antsika hahazo ny hevitry ny hoe takalo atao vidim-panavotana ny lalàna momba ny omby zatra manoto. Raha avelan’ny tompony mandehandeha fotsiny ilay omby ka mahafaty olona, dia hovonoina ho faty ilay tompony, ka ny ainy no atao solon’ny ain’ilay olona matin’ilay omby. Tsy ninia namono azy mivantana anefa ilay tompon’omby, ka mety ho hitan’ny mpitsara fa tsara kokoa raha itakiana “vidim-panavotana [kôfer]” izy. Tsy maintsy mandoa àry izy amin’izay. Toy ny hoe solon’ny ainy ilay vidim-panavotana naloany, ka manonitra ny ain’ilay matin’ny omby. (Ek 21:28-32; ampit. De 19:21.) Tsy misy vidim-panavotana kosa ho an’izay ninia namono olona, fa ny ainy ihany no mahonitra ny ain’ilay novonoiny. (No 35:31-33) Nisaina ny olona tsirairay rehefa nisy fanisam-bahoaka, ka tsy maintsy nanome ho an’i Jehovah antsasa-tsekely (1,10 dolara) ho vidin’ny fanavotana ny ainy ny lehilahy tsirairay 20 taona no ho miakatra, na mahantra izy na manankarena.​—Ek 30:11-16.

  • Hetra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nampandeha ny asa tao amin’ny toerana masin’i Jehovah. Ny ampahafolon-karena (izay tsy maintsy naloa) no tena nahafahan’ny mpisorona sy Levita taranak’i Arona nahazo izay nilainy. Nasain’i Jehovah nakana ho azy ireo koa indray mandeha, fara fahakeliny, ny hetra notakiny tamin’ny zavatra azo babo. (No 18:26-29; 31:26-47; jereo AMPAHAFOLON-KARENA.) Tokony handoa antsasaky ny sekely (1,10 dolara) ho “fanomezana ho an’i Jehovah” koa ny olona tsirairay mba hampiasaina tao amin’ny tranolay fihaonana, rehefa avy nisain’i Mosesy ny vahoaka. (Ek 30:12-16) Toa lasa fahazaran’ny Jiosy ny nanome an’io vola io isan-taona, na dia tsy nisy fanisam-bahoaka aza. Nilaza, ohatra, i Joasy fa tokony haloa ny ‘hetra masina nasain’i Mosesy nomena.’ (2Ta 24:6, 9) Nanapa-kevitra ny Jiosy tamin’ny andron’i Nehemia fa hanome ampahatelon’ny sekely (0,75 dolara eo ho eo) isan-taona ho an’ny fanompoana tao amin’ny tempoly.​—Ne 10:32.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara