-
Efa nisy nahita an’Andriamanitra ve?Ny Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Aogositra
-
-
Na dia rehefa niresaka “nifanatrika” tamin’Andriamanitra aza izy, araka ny voalaza ao amin’ny Eksodosy 33:11, dia tsy nahita an’i Jehovah koa i Mosesy. Io fitenenana io dia manondro ny fomba niresahan’i Mosesy tamin’Andriamanitra fa tsy izay tena hitany. Asehon’ny fitenenana hoe miresaka ‘mifanatrika’ amin’Andriamanitra fa izany dia tena fifampiresahana. Azo atao amin’izany fomba izany ny miresaka an-telefaonina nefa tsy mahita ny olona iresahana.
Rehefa niresaka tamin’Andriamanitra i Mosesy ka nandray ireo toromariny, dia tsy natao tamin’ny alalan’ny fahitana akory izany fifampiresahana izany, toy ny hita tamin’ny mpaminany maro hafa. Miharihary izany amin’ny Nomery 12:6-8, izay amakiantsika toy izao: “Dia hoy Izy: Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia amin’ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ny nofy no hitenenako aminy. Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ny tranoko rehetra. Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny fahitana, fa tsy amin’ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’i Jehovah izy.” Tamin’ny heviny ahoana moa i Mosesy no hoe nandinika “ny endrik’i Jehovah”?
-
-
Efa nisy nahita an’Andriamanitra ve?Ny Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Aogositra
-
-
Hitantsika ny filazana hafa iray mampiseho fa raha ny marina dia niresaka tamin’ny anjely solontenan’Andriamanitra i Mosesy, ao amin’ny Asan’ny apostoly 7:38 izay manambara hoe: “Izy ilay teo amin’ny fiangonana tany an-efitra mbamin’ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin’ny razantsika.” Io anjely io dia ny mpitondra teny manokan’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona. Niteny tamin’i Mosesy àry izy, toy ny hoe ny tenan’Andriamanitra mihitsy no niteny.
-