-
KrizolitaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
KRIZOLITA
(krizôlita).
Vatosoa tsy tena sarobidy, vokatry ny fitambaran’ny silikatina manezioma sy silikatina vy. Mangarahara na tantera-pahazavana izy io, ary mavo na maitso ny lokony. Matetika izy io no hita any anaty vato avy amin’ny volkano (na koa any anaty vato dolomia sy karazana vato sokay sasany). Mety ho amin’ny endriny feno sy tsy poakaty ny krizolita, na amin’ny endriny kristaly, na koa vato madinika kely be dia be mitambatra. Avy amin’ny teny grika hoe krysôlitôs, izay midika hoe “vato volamena”, ny hoe krizolita. Toa nisy olona fahiny nampiasa an’io teny io mba hilazana vatosoa isan-karazany miloko mavo. Misy krizolita kristaly tena tsara any Ejipta.
Tamin’ireo vatosoa teo amin’ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’i Arona, dia ny krizolita (heb.: tarshish; LXX: krysôlitôs) no nasain’i Jehovah natao vato voalohany teo amin’ny laharana fahefatra. Voasokitra teo amin’izy io ny anaran’ny foko iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. (Ek 28:2, 15, 20, 21; 39:13) “Rakotra” vatosoa isan-karazany ny mpanjakan’i Tyro, ka anisan’izany ny krizolita.—Ezk 28:12, 13.
-
-
JadyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
JADY
Vato mafy sy mateza natao haingo ary miloko maitso matetika ny jady (heb.: yashefeh). Fanao amin’ny firavaka koa izy io ary atao sokitra. Misy karazany roa izy io, dia ny “nefrita” sy ny “jadeita.” Nefrita ilay jady fahita matetika. Misy ny nefrita tantera-pahazavana ary misy ny tsy tantera-pahazavana. Ao ny maitso antitra, mainty, volondavenona, mavo, ary fotsy. Ny jadeita no lafo kokoa satria tsy fahita firy sady tsara kokoa ny lokony. Ny akora voajanahary ao amin’ny jady no mahatonga azy ho mora atao sokitra.
Jady tsara tarehy no vato fahatelo teo amin’ny laharana fahefatra tamin’ireo vato nandravaka “ny saron-tratra fitsarana” nanaovan’i Arona Mpisoronabe. Natao sokitra teo amin’izy io ny anaran’ny iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. (Ek 28:2, 15, 20, 21; 39:9, 13, 14) “Rakotra” vatosoa isan-karazany ny mpanjakan’i Tyro, ka anisan’izany ny jady.—Ezk 28:12, 13.
-