-
Aretina sy FitsaboanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Matetika no salama izay mankatò ny Lalàna. Tsy maintsy nototofana, ohatra, ny dikin’olombelona, tany amin’ny toby miaramila (De 23:9-14), ka voaro tamin’ny fivalanan-dra sy ny tefoedra ary ny aretina hafa aparitaky ny lalitra ny olona. Voaro tamin’ny tsimokaretina ny sakafo sy ny rano satria lazain’ny Lalàna fa maloto daholo izay zavatra nilatsahan’ny fatina biby “maloto” ka tsy maintsy nisy fepetra noraisina. Nopotehina mihitsy, ohatra, izay fitoeran-javatra vita tamin’ny tanimanga nilatsahan’ilay fatim-biby.—Le 11:32-38.
Hoy ny boky iray: “Ny fisorohana aretina no tena hamafisin’io lalàna io. Rehefa ankatoavina izy io dia voasoroka aloha be ny polioencéphalite [aretina mamely ny atidoha], ny tefoedra, ny fanapoizinana avy amin’ny sakafo, ary ny katsentsitra. Antitranterina ny fanaovana izay hampisy tahirin-drano madio. Tena mandaitra izany mba tsy hisy olona ho voan’ny amiba, na tefoedra, na kôlerà, na bilariziozy, na karazana tazovony vokatry ny rano maloto. Tena ilaina amin’ny fahasalamam-bahoaka ireny fepetra fiarovana amin’ny aretina ireny, indrindra raha tsizarizary ny toe-piainana misy an’ilay vahoaka sady any amin’ny tany mafana izy ireo no mipetraka.”—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 544, 545.
Nilaza ny Dr. A. Short fa tsy nanana lalàna momba ny fahadiovana sy ny fanariana ny malotom-bahoaka ireo firenena nanodidina ny Israely fahiny, ary raha nisy aza izany dia tsizarizary. Hoy ihany ny Dr. Short: “Mahagaga àry hoe boky ampangaina ho tsy mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly, nefa ao indray no ahitana fitsipika momba ny fahadiovana. Vao mainka tena mahagaga ny hoe vao avy nandevozina sy notafihin’ny fahavalo matetika ary nentina ho babo imbetsaka ilay firenena, nefa manana boky misy lalàna feno fahendrena sy voalanjalanja momba ny fahasalamana. Miaiky an’izany ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana, na dia ireo tena tsy liana amin’ny Baiboly aza, satria hoe bokim-pivavahana izy io.”—Ny Baiboly sy ny Fitsaboana Maoderina, Londres, 1953, p. 37.
-
-
FanavianaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1) Tsy nihinan-kena firy ny Hebreo. Afaka namono biby fiompy anefa ireo fianakaviana te hihinan-kena. Nentin’izy ireo tany amin’ny toerana masina ilay biby hovonoina (raha tsy hoe nonina lavitra be izy ireo, taorian’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina). (Le 17:3-5; De 12:20-27) Nakan’ny mpisorona ilay hena mba hatolotra teo amin’ny alitara. Naka ny anjarany koa izy, ary avy eo afaka nihinana tamin’ilay hena ilay fianakaviana. Tokony hohanina ny androtr’iny ihany ny sorona iombonana sasany. Ny hafa kosa mbola azo nohanina ny ampitson’iny, saingy tokony hodorana izay tsy lany taorian’izay. Tany mafana mantsy i Palestina ary mbola tsy nisy fomba fampangatsiahana sakafo hitehirizana azy. Niaro an’ireo Israelita tsy harary sy tsy hanavy àry ireo fitsipika ireo. Mety harary mantsy izy ireo raha nihinana hena tsy voatahiry ara-dalàna, satria mety hitombo haingana be ny bakteria toy ny Staphylococcus aureus sy salmônela ka hahatonga an’ilay hena hankarary. 2) Voarara ny nihinana kisoa, bitrodia, vorona na biby hafa mpihinana faty, biby mpikiky, ary biby anaty rano sy trondro sasany. Voaporofo fa mety hahatonga aretina samihafa mampahanavy ny henan’ireny. (Le 11:1-31) 3) Nisy fitsipika natao hiarovana an’ireo fitaovana fandrahoan-tsakafo sy ny tahirin-drano fisotro mba hadio foana. Ahazoana tefoedra sy aretina mampahanavy hafa mantsy ireo raha maloto. (Le 11:32-38) 4) Tsy maintsy nisasa madio izay olona nikasika biby maty ho azy na nihinana tamin’ny henany. Izany dia nisoroka ny fielezan’ny mikraoba fantatra fa mahatonga aretina mampahanavy. (Le 11:39, 40) 5) Milaza ny lalàna fa tokony hototofan’ny tsirairay ny dikiny, ary tokony hararaka amin’ny tany sy hototofana koa ny ra. Misoroka aretina mampahanavy (hepatita, ohatra) izany. (Le 17:13; De 23:12, 13) 6) Tsy nisy mihitsy ny aretina azo avy amin’ny firaisana, raha narahina ireo lalàna momba ny fitondran-tena. Mety hamely ny taova rehetra ao amin’ny vatana ireny aretina ireny ary matetika mampahanavy. (Le 18:20, 22, 23) 7) Nasain’ny lalàna natokan-toerana ireo voan’ny areti-mifindra mba tsy hielezan’izany.—Le 13; No 19:11, 12, 16; 31:19.
-