-
Ady Any Amin’ny FitsaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Porofo. Tsy maintsy nanao tatitra sy nijoro ho vavolombelona izay nahita olona nanao an’ireto: Nivadi-pinoana, nitaona ny hafa hikomy, namono olona (nandoto ny tany) na nanao heloka bevava hafa. Raha tsy izany dia nambara ampahibemaso hoe nozonin’Andriamanitra izy. (Le 5:1; De 13:8; ampit. Oh 29:24; Es 6:2.) Tokony ho roa anefa, fara fahakeliny, ny vavolombelona. (No 35:30; De 17:6; 19:15; ampit. Jn 8:17, 18; 1Ti 5:19; He 10:28.) Tokony hilaza ny marina izy ireo (Ek 20:16; 23:7), ary nasaina nianiana indraindray. (Mt 26:63) Tsy maintsy nianiana ilay vavolombelona raha nahiahina, nefa izy irery no nahita izay nitranga. (Ek 22:10, 11) Toy ny hoe nitsangana teo anatrehan’i Jehovah ireo notsarain’ny mpitsara na notsaraina tao amin’ny toerana masina, ka nilain’ny vavolombelona ny nitadidy hoe hataon’Andriamanitra ampamoaka izy. (Ek 22:8; De 1:17; 19:17) Tsy nahazo nandray kolikoly izy, na nanaiky hoteren’ny ratsy fanahy handainga na hitetika ny hanao ratsy (Ek 23:1, 8), na nanaiky ho voatariky ny maro na hiandany amin’ny mpanankarena na mahantra notsaraina. (Ek 23:2, 3) Tsy tokony hiahotra hijoro ho vavolombelona izy na dia havany akaiky aza ilay nandika lalàna, ka nivadi-pinoana na nikomy, ohatra.—De 13:6-11; 21:18-21; Za 13:3.
-
-
FanatitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1) Rehefa nisy nandre olona nianiana ampahibemaso nefa tsy sahy nijoro ho vavolombelona na tsy nanao tatitra; naloto tsy nahy fa nikasika faty na olon-kafa naloto; maimaika nianiana hoe hanao na tsy hanao zavatra iray (Le 5:1-4): Tsy maintsy niaiky ny fahotany izy. (Le 5:5) Arakaraka izay takatry ny volany ny fanatitra noho ny heloka natolony. (Le 5:6-10) Raha fanatitra varimbazaha ilay izy, dia tsy nasiana menaka na ditin-kazo manitra satria fanatitra noho ny ota. Fanatitra notakina koa ilay izy, fa tsy an-tsitrapo. Ny fanatitra varimbazaha an-tsitrapo kosa natolotr’izay nankasitrahan’Andriamanitra, ka nomena tamim-pifaliana. (Le 5:11-13)
-