-
“Ao ny andro itenenana” — Ao amin’ny toe-javatra manao ahoana?Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Desambra
-
-
Misy fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly mitarika hafa iray koa ao amin’ny Levitikosy 5:1: “Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka [dia, MN ] mahameloka azy izany.” Tsy fitenenan-dratsy akory izany “feon’ny fampianianana” izany. Raha ny marina, dia matetika ny olona iray nahita fatiantoka no mandefa antso ho an’izay mety ho vavolombelona (mba hanampian’izy ireny azy hahazo rariny), sady manao fampianianana — azo inoana fa amin’ny fiantsoana an’i Jehovah hanao zavatra — ho fanoherana ilay olona, angamba tsy fantatra, izay nanisy ratsy azy. Izany dia fomba fanaovana fianianana eo anoloan’ireo izay nihaino azy. Izay rehetra vavolombelon’ilay fahadisoana tokoa dia hahafantatra amin’izany hoe iza no niharam-pahavoazana ka hanana andraikitra ny hiseho mba hampahafantatra ilay meloka. Raha tsy izany, dia ‘ho meloka’ eo anatrehan’i Jehovah izyb.
Izany baiko avy amin’ilay Fahefana ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao izany dia nanome ho an’ny Isiraelita tsirairay avy, andraikitra ny hitantara tany amin’ireo mpitsara izay rehetra nety ho fahadisoana lehibe hitany, mba handinihana ilay raharaha. Na dia tsy tena eo ambanin’ny lalàn’i Mosesy intsony aza ny kristiana, ireo fotopoto-pitsipika amin’io lalàna io dia mbola mihatra ihany eo anivon’ny kongregasiona kristiana. Noho izany, ny kristiana iray dia mety hanana adidy hitondra zava-nitranga eo anatrehan’ireo loholona. Marina fa tsy ara-dalàna ao amin’ny tany maro ny fanambarana ny raketin’ny antontan-taratasy manokana amin’olona tsy heverina ho tokony handre izany? Kanefa, rehefa avy nieritreritra tsara ilay raharaha tao amin’ny vavaka ny kristiana iray ka mihevitra fa ao anatin’ny tarehin-javatra iray andidian’ny lalàn’Andriamanitra azy mba hitantara izay fantany na dia ao aza ireo baiko omen’ny fahefana ambany, dia andraikitra iantsorohany eo anatrehan’i Jehovah izany. Misy fotoana ‘tokony hanekena an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’. — Asan’ny apostoly 5:29.
Na dia tsy tokony hohamaivanina aza ny fianianana na ny fampanantenana ampahibemaso iray, indraindray ny fanekena ampanaovin’ny olona dia mifanohitra amin’ny baiko hifikitra amin’ny Andriamanitsika irery ihany. Rehefa manao fahotana lehibe ny olona iray, dia tena latsaka eo ambanin’ny “feon’ny fampianianana [fanozonana ampahibemaso, MN ]” alefan’Ilay nasiany ratsy, dia Jehovah Andriamanitra (Deoteronomia 27:26; Ohabolana 3:33). Izay rehetra tonga anisan’ny kongregasiona kristiana dia mipetraka eo ambanin’ny “fianianana” mandidy azy ireny hiaro ny fahadiovan’ny kongregasiona, na amin’ny fitondrantenany manokana na amin’ny fomba fanampiany ireo namany hitoetra ho madio hatrany.
-
-
“Ao ny andro itenenana” — Ao amin’ny toe-javatra manao ahoana?Ny Tilikambo Fiambenana—1987 | 1 Desambra
-
-
b Ao amin’ny Famoaboasana ny Testamenta Taloha (anglisy) nosoratany, dia nohantitranterin’i Keil sy Delitzsch fa noheverina ho meloka ho nanao fahadisoana na fahotana izay rehetra “nahalala fahadisoana nataon’olona iray (na nahita izany ny tenany na nandre firesahana ny amin’izany tamin’ny fomba iray na hafa) ka manana adidy noho izany hanambara ny marina eo anoloan’ny fitsarana iray mba hampahamenatra ilay nanao izany kanefa tsy nanao toy izany. Tsy nilaza izay hitany na reny àry izy, kanefa tamin’ny fotoan’ny famotopotorana ampahibemaso momba ilay zavatra ratsy natao dia reny ny mpitsara nandidy ampahibemaso mba hiseho ho vavolombelona, ny olona rehetra mahafanta-javatra momba ilay raharaha”.
-