FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Tanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Mametra-tanana. Tsy natao hitazonana zavatra fotsiny ny tanana, fa nampiasaina koa rehefa nametra-tanana tamin’ny olona na zavatra, ary nisy antony maro nanaovana izany. Matetika anefa izy io no natao hanendrena na hampahafantarana olona na zavatra iray. Nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ombilahy sy ondrilahy roa, ohatra, i Arona sy ny zanany lahy, rehefa natolotra ny sorona fametrahana azy ireo teo amin’ny toerany. Midika izany fa neken’izy ireo hoe ho azy no nanaovana sorona an’ireo biby ireo mba hahatongavany ho mpisorona ho an’i Jehovah Andriamanitra. (Ek 29:10, 15, 19; Le 8:14, 18, 22) Nametra-tanana tamin’i Josoa koa i Mosesy rehefa nanendry an’i Josoa handimby azy. Izany mantsy no nasain’Andriamanitra nataon’i Mosesy. “Feno fanahim-pahendrena” i Josoa taorian’izay ka afaka nitarika ny Israely. (De 34:9) Nametra-tanana tamin’izay tokony hahazo tsodrano ny olona nanan-jo hanao izany. (Ge 48:14; Mr 10:16) Nikasika na nametra-tanana tamin’ny olona sasany nositraniny i Jesosy Kristy. (Mt 8:3; Mr 6:5; Lk 13:13) Nandray ny fanahy masina ny olona sasany rehefa nametra-tanana tamin’izy ireo ny apostoly.​—As 8:14-20; 19:6.

  • Loha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nasaina nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny biby sasany natao fanatitra ny mpisorona sy ny olona nanao fanatitra. Midika izany hoe neken’izy ireo fa ho azy ireo no hanaovana an’ilay sorona.​—Le 1:2-4; 8:14; No 8:12.

  • Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Ondrilahy roa natao sorona. Napetrak’i Arona sy ny zanany teo amin’ilay ondrilahy atao fanatitra dorana ny tanany. Novonoina ilay izy avy eo, ary nisy nafafy teo amin’ny alitara ny rany. Norasarasaina ilay ondry, nosasana, ary nodorana teo ambony alitara afa-tsy ny tainy sy ny hodiny. (Le 7:8) Nodorana tanteraka ilay ondrilahy fa tsy nisy navela hohanin’ny olona. Nohamasinina tanteraka hanao fanompoana masina ho an’i Jehovah koa àry ireo mpisorona.​—Le 8:18-21; ampit. Le 1:3-9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara