FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Andosiro ny Fijangajangana”
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
    • 3. Inona no porofo fa nahomby ilay tetik’i Balama?

      3 Nahomby ve ilay tetika? Izany tokoa! Israelita an’aliny no voajono, ka “nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’i Moaba.” Lasa nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Moabita mihitsy aza izy ireo. Nivavahany, ohatra, ilay andriamanitra maharikoriko atao hoe Balan’i Peora, izay andriamanitry ny fahavokarana na firaisana. Israelita 24 000 àry no ripaka, nefa efa teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina. Loza izany!—Nomery 25:1-9.

  • “Andosiro ny Fijangajangana”
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
    • 4. Nahoana no Israelita an’aliny no voatarika haloto fitondran-tena?

      4 Inona no nahatonga izany? Maro no lasa nanana fo ratsy ka niala tamin’i Jehovah. Izy anefa no Andriamanitra nanafaka azy ireo tany Ejipta, sy nanome sakafo azy tany an-tany efitra, ary nitarika azy hatreo akaikin’ny Tany Nampanantenaina. (Hebreo 3:12) Nisaintsaina an’izany ny apostoly Paoly ka niteny hoe: “Aoka isika tsy hijangajanga, toy ny nijangajangan’ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo sy roa alina taminy no maty tao anatin’ny iray andro.”a—1 Korintianina 10:8.

  • “Andosiro ny Fijangajangana”
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
    • a Milaza kosa ny Nomery fa 24 000 no maty, izany hoe ireo naripak’i Jehovah miampy an’ireo 1 000 lahy teo ho eo, “lohandohany” teo amin’ny vahoaka izay naripaky ny mpitsara.—Nomery 25:4, 5.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara