FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fisaraham-panambadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Navelan’i Jehovah Andriamanitra hisaraka noho ny antony isan-karazany ny mpivady israelita, na dia tsy izany aza no fikasany. Nasiany fitsipika nifehy ihany anefa izany tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Hoy ny Deoteronomia 24:1: “Raha misy lehilahy maka vady ka lasa fananany ravehivavy, izany hoe lasa vadiny, nefa manjary tsy mahazo sitraka aminy satria nahitany zavatra manafintohina, dia aoka izy hanao taratasy fisaraham-panambadiana ary hanolotra izany an-dravehivavy, ka handroaka azy hiala ao an-tranony.” Tsy nolazaina mazava hoe inona marina ilay “zavatra manafintohina” (ara-bakiteny: “fitanjahan-javatra”). Tsy fanitsakitsaham-bady izy io, satria voalazan’ny Lalàna hoe hovonoina ho faty izay manitsakitsa-bady fa tsy hoe hisarahana. (De 22:22-24) Azo inoana fa tamin’ny voalohany dia zavatra tena lehibe ilay “zavatra manafintohina”, izay namela ny lehilahy hebreo hisaraka tamin’ny vadiny. Nanala baraka azy mianakavy angamba ilay vehivavy, na tafahoatra loatra ny tsy fanajany ny vadiny. Mazava ho azy fa tsy fahadisoana madinika ny antony nisarahana, satria milaza mazava ny Lalàna hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Le 19:18) Ho voasazy mantsy ilay lehilahy raha tsy izany.

  • Fisaraham-panambadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Taratasy fisaraham-panambadiana. Nohararaotin’ny sasany ilay fahafahana hisara-panambadiana, tatỳ aoriana. Tsy midika anefa izany hoe iny Lalàn’i Mosesy momba ny fisaraham-panambadiana iny no nahatonga ny lehilahy israelita hisaraka mora foana tamin’ny vadiny. Nisy dingana maromaro tsy maintsy nataony mantsy. Nila nanoratra “taratasy fisaraham-panambadiana” izy, ary “hanolotra izany an-dravehivavy, ka handroaka azy hiala ao an-tranony.” (De 24:1) Tsy manome ny tsipirian’io dingana notakin’ny lalàna io ny Soratra Masina, nefa azo inoana fa nanatona an’ireo lehilahy nanam-pahefana izy, ary ireo kosa niezaka nampihavana azy mivady aloha. Nila fotoana ny fanomanana izany taratasy izany, ary niandry elaela ihany vao vita ara-dalàna ilay fisarahana, ka mbola afaka nieritreritra tsara ilay lehilahy. Tokony ho marim-pototra koa ny antony hisarahana. Tsy nanapa-kevitra maimaika ny hisaraka ny mpivady israelita, rehefa nampiharina tsara ny lalàna. Voaro koa, araka izany, ny zo sy ny tombontsoan’ny vehivavy. Tsy ambaran’ny Soratra Masina ny votoatin’ilay “taratasy fisaraham-panambadiana.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara