-
AkoraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
AKORA
(Akòra) [Loza; Olana].
Lohasaha na lemaka iva teo amin’ny ilany avaratratsinanana amin’ny sisin-tanin’i Joda. (Js 15:7) Midika hoe “Loza; Olana” ny anaran’ilay lohasaha, satria teo i Akana sy ny ankohonany no notoraham-bato ho faty. Nangalatra sy nanafina zavatra azo babo tany Jeriko mantsy i Akana, ka nitondra loza ho an’ny firenen’Israely. Resy izy ireo, ohatra, rehefa nanafika voalohany an’i Ay.—Js 7:5-26.
Misy milaza fa ny Lohasaha Falehandriaka el Kilt, izay toy ny hadivory lalina falehan-driaka any akaikin’i Jeriko, ny Lohasahan’i Akora. Tokony ho tany atsimo kokoa anefa izy io raha jerena ny Josoa 15:7, ary tokony halalaka kokoa araka ny Isaia 65:10. Misy àry mihevitra azy io ho i el Bokeiʽa (Bikʽat Horekanya), izay lemaka ngazana sy iva. Mivelatra mianavaratra sy mianatsimo izy io ary manapaka ny Lohasaha Falehan-driaka Qoumrân (Nahal Qoumerân), any akaikin’ny tendrony avaratrandrefan’i Ranomasina Maty. Hitan’ny mpikaroka fa nisy tanàna na tanàna voaro mafy ary koa tohodrano teo amin’io toerana io taloha.
-
-
AdomimaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Lazain’ny Josoa 15:7 fa teo atsimon’ny “lohasaha falehan-driaka” iray no nisy ny fiakarana Adomima. Tsy iza izy io fa ny Lohasaha Falehan-driaka el Kilt, izay mitovy zotra amin’ny arabe ary mandalo eo atsimo kelin’i Jeriko vao mankany amin’ny Reniranon’i Jordana.
-