FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ha-elefa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • HA-ELEFA

      (Ha-elèfa) [Ny Ombilahy; Ny Ombivavy].

      Tanànan’i Benjamina, saingy tsy fantatra ny toerana nisy azy. (Js 18:21, 28) Misy manam-pahaizana mihevitra fa ampahany amin’ny anaran’i “Zela”, tanàna voatonona eo alohany ny hoe Ha-elefa. Raha akambana anefa ny hoe “Zela” sy ny hoe “Ha-elefa” dia lasa 13 ny isan’ny tanàna fa tsy 14 araka izay voalazan’ny Baiboly.

  • Jebosa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • JEBOSA

      (Jebòsa) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “manosihosy; manitsaka”], Jebosita (Jebosìta).

      Tanànan’ny Jebosita fahiny i Jebosa, izay antsoina hoe Jerosalema ankehitriny.

      Nantsoina hoe Salema (midika hoe “Fiadanana”) izy io tamin’ny andron’i Abrahama, talohan’ny taona 1900 T.K. Mety ho fanafohezana ny hoe Jerosalema ny hoe Salema. (He 7:2) Miresaka momba an’i Orosalima (Jerosalema) ireo Takelaka Hita tao Amarna any Ejipta. Matetika no antsoina hoe Jerosalema ilay tanàna, ao amin’ny bokin’i Josoa sy Mpitsara ary Samoela Voalohany izay mitantara ny zava-nitranga talohan’ny nahazoan’i Davida azy io. (Js 10:1, 3, 5, 23; 12:10; 15:8, 63; 18:28; Mpts 1:7, 8, 21; 19:10; 1Sa 17:54) Ao amin’ny boky roa monja izy io no antsoina hoe Jebosa. (Mpts 19:10, 11; 1Ta 11:4, 5) Ilay hoe Jebosa ao amin’ny Josoa 18:28 kosa nadika avy amin’ny teny hebreo hoe Yevosi. Ilazana olona ny teny miafara amin’ny i, ka ny mponina tao amin’ilay tanàna no tiana holazaina eo.

      Toa midika izany, hoy ny ankamaroan’ny manam-pahaizana, fa Jerosalema (na angamba Salema) no anaran’ilay tanàna tamin’ny voalohany. Rehefa nonina tao ny Jebosita vao nantsoina hoe Jebosa izy io indraindray. Heverina koa fa tsy fanafohezana ny hoe Jerosalema ny hoe “Jebosa”, fa fanafohezana ny hoe Jebosita (anaran’ireo mponina tao). Nantsoina hoe “Tanànan’i Davida” izy io indraindray, rehefa voababon’i Davida i Ziona, ilay tanàna voaro mafy, ka nanorim-ponenana tao izy.​—2Sa 5:7.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara