FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Arabia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Avy any Arabia ireo Midianita sy Amalekita ary “Tatsinanana” nitaingina rameva tonga handravarava ny tanin’ny Israelita, tamin’ny andron’ny Mpitsara. (Mpts 6:1-6) Ny fanafihana tampoka hoatran’izany foana no fomba fiady tany Arabia. (2Ta 22:1) Toa ny olona tany Arabia no voalohany niompy rameva. Nitaterana olona sy entana izy ireny, angamba efa hatramin’ny andron’i Abrahama. (Ge 24:1-4, 10, 61, 64) Mahavita manao dia lavitra any an-tany efitra ny rameva, tsy toy ny ampondra. Nampandroso ny toe-karena tany Arabia àry ny fiompiana rameva, ka nampiroborobo an’ilay nantsoina hoe “Fanjakan’ny Zavamaniry Mani-pofona” tany Arabia Atsimo.

  • Beti-jesimota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Anisan’ny faritra nanjakan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita i Beti-jesimota, ary nomena ho an’ny fokon’i Robena rehefa resin’ny Israelita ny Amorita ka lasany ilay faritra. (Js 12:1-3; 13:15-21; ampit. Mpts 11:13-27.) Iray tamin’ireo tanàna teny amin’ny tehezan-tendrombohitra teo an-tsisin-tanin’i Moaba i Beti-jesimota, tamin’ny andron’i Ezekiela mpaminany, ary nolazaina hoe “ravak’ilay tany.” (Ezk 25:8-10) Nambaran’ny faminaniana fa havelan’i Jehovah hisokatra ireny tanàna an-tsisin-tany ireny, ka tsy ho voaro i Moaba fa ho mora tafihin’ny “Tatsinanana”, izany hoe ireo foko mpifindrafindra monina tany amin’ny Tany Efitr’i Arabia. (Ampit. Mpts 6:3; 8:10.) Azo inoana fa azon’ny Moabita i Beti-jesimota sy ireo tanàna hafa an’ny fokon’i Robena, taorian’ny nanaovana sesitany an’io foko io tany Asyria, na talohan’izay.​—1Ta 5:26.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara