FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
    • 16-18. a) Ahoana no navalin’i Rota an’i Naomy? b) Ahoana no nampisehoan’i Rota fa tena tia an’i Naomy izy? (Jereo ireo sary roa misy an’i Naomy sy Rota ato amin’ity toko ity.)

      16 Efa tapaka ny hevitr’i Rota, na dia efa izy mianaka aza sisa no teo amin’ilay lalana mangingina. Efa tena tiany mantsy i Naomy sy ilay Andriamaniny, ka hoy izy: “Aza manery ahy handao anao sy hisaraka aminao, fa izay alehanao no halehako, ary izay atorianao no hatoriako. Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro. Izay toerana ahafatesanao no hahafatesako, ary any no hilevenako. Hofaizin’i Jehovah anie aho, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!”—Rota 1:16, 17.

      [Sary, pejy 36, 37]

      “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”

      17 Tena mahavariana izany fampanantenana izany ka na efa 3 000 taona atỳ aoriana aza, dia mbola fantatsika ihany ilay izy. Hita avy amin’ireo fa tsy niovaova ny fitiavan’i Rota, izany hoe tena tiany i Naomy ary tsy foiny mihitsy. Toetra tena tsara izany. Vonona hiaraka amin’i Naomy foana izy na aiza na aiza, ary fahafatesana ihany no hampisaraka azy aminy. Vonona hamoy ny zava-drehetra tany Moaba i Rota, ka ny firenen’i Naomy no ho lasa fireneny. Na ny andriamanitra moabita aza nafoiny. Tsy toa an’i Orpa izy fa niteny tamin’ny fony manontolo hoe tiany ho Andriamaniny koa i Jehovah, ilay Andriamanitr’i Naomy.a

  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
    • a Tsara homarihina fa nampiasa an’ilay anarana hoe Jehovah i Rota fa tsy niteny fotsiny hoe “Andriamanitra”, toy izay mety ho nataon’ny olona tsy Israelita. Milaza ny Baibolin’ny Mpanazava Teny (anglisy) fa hita hoe lasa nivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra i Rota, na dia olona hafa firenena aza.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara