FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Jolay
    • Nanomboka nieritreritra ny fomba hiveloman’izy sy Naomy i Rota rehefa nipetraka tao Betlehema. Fantany fa nisy fandaharana feno fitiavana hanampiana ny mahantra, tao amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny Israelita. Afaka nankeny an-tsaha ny mahantra rehefa fotoam-pijinjana, ka nanaraka ny mpijinja ary naka izay latsaka sy izay naniry teny amin’ny sisin’ny saha.c—Levitikosy 19:9, 10; Deoteronomia 24:19-21.

      Fotoana fijinjana orza tamin’izay, tokotokony ho tamin’ny volana Aprily. Nankeny an-tsaha i Rota ary nijery hoe tanin’iza no azony itsimponana orza. Sendrasendra no nahatongavany teo amin’ny sahan’i Boaza. Lehilahy mpanankarena izy io ary havan’i Elimeleka vadin’i Naomy. Afaka nitsimpona orza avy hatrany i Rota, raha ny Lalàna no jerena. Niera tamin’ilay tovolahy niandraikitra ny mpijinja anefa izy aloha. Navelan’ilay tovolahy izy ka nanomboka niasa.—Rota 1:22–2:3, 7.

  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Jolay
    • c Hafakely io lalàna io ary mbola tsy nahita toy izany mihitsy i Rota tany aminy. Tsy noraharahaina ny mpitondratena tany amin’ireo firenena nanodidina ny Israely. Hoy ny boky iray: “Voatery niantehitra tamin’ny zanany lahy ny vehivavy maty vady. Raha tsy nanan-janaka lahy izy dia tsy maintsy nivarotra ny tenany ho andevo, na nivaro-tena, na maty.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara