-
Ilay Vehivavy Tena TsaraTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
7, 8. a) Noraisin’i Naomy hoe avy amin’iza izay nomen’i Boaza an’i Rota, ary nahoana? b) Inona no porofo fa tena tia sy tsy nahafoy an’i Naomy i Rota?
7 Niresadresaka amin’izay izy mianaka. Notantarain’i Rota ny nataon’i Boaza taminy. Faly erỳ i Naomy ka hoy izy: “Hitahy azy anie i Jehovah, izay tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny velona sy ny maty!”a (Rota 2:20) Noraisin’i Naomy hoe avy amin’i Jehovah izay nomen’i Boaza an’i Rota. I Jehovah mantsy no mampirisika ny mpanompony halala-tanana sy ho tsara fanahy, ary mampanantena fa hanonitra an’izay nomen’ilay olona.—Vakio ny Ohabolana 19:17.
-
-
Ilay Vehivavy Tena TsaraTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
a Nahoana i Naomy no nilaza hoe tsara fanahy i Jehovah, na dia amin’ny maty aza? Tena tian’i Naomy sy Rota i Elimeleka sy Kiliona ary Malona, na dia efa maty aza. Ary raha mbola teo izy telo lahy, dia azo inoana koa fa tiany ho voakarakara tsara i Rota sy Naomy. Nokarakarain’i Jehovah tsara àry izy mianaka, ka midika izany fa mbola tsara fanahy tamin’ny fianakaviany efa maty izy.
b Iza no manana zo hanambady an’ilay vehivavy sy hitantana ny lovan’ilay maty? Ny rahalahin’ilay maty aloha, fa raha tsy mety izy vao ny havany akaiky hafa.—Nom. 27:5-11.
-
-
Ilay Vehivavy Tena TsaraTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
11, 12. a) Inona ny lalàn’Andriamanitra tao an-tsain’i Naomy tamin’izy niteny hoe “mpanavotra” i Boaza? b) Ahoana no nandraisan’i Rota ny soso-kevitr’i Naomy?
11 Tamin’i Rota niresaka voalohany momba an’i Boaza, dia hoy i Naomy: “Havantsika izay lehilahy izay, ary anisan’ny mpanavotra antsika.” (Rota 2:20) Inona no tiany holazaina? Nisy lalàna nomen’Andriamanitra mba hanampiana an’izay mahantra na maty fianakaviana. Anisan’ny notsinjovina tamin’io lalàna io ny vehivavy, satria izy ireny no tena nijaly raha maty vady nefa mbola tsy niteraka. Tsy hanan-taranaka mantsy izy, ka ho lasan’olon-kafa ny lovany. Tsy hisy hitondra koa ny anaran’ny vadiny. Nanome lalàna àry Andriamanitra hoe afaka manambady an’ilay vehivavy ny rahalahin’ny vadiny, ka ‘manavotra’ azy. Ho afaka hiteraka izy ireo amin’izay ka ilay zaza no hitondra ny anaran’ilay olona maty sy handova ny fananan’izy io any aoriana.b—Deot. 25:5-7.
-