-
AntipatriaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ANTIPATRIA
(Antipatrìa) [An’i Antipater].
Tanàna nasain’i Heroda Lehibe naorina indray tamin’ny taona 9 T.K., ka nampitondrainy ny anaran’i Antipater (II) rainy. Maro no milaza an’i Antipatria ho i Ras el-ʽAin (Tel Afek), eo amin’ny faritra azon-drano tsara sady mahavokatra eo amin’ny Lemak’i Sarôna. Voalaza fa tao Antipatria no nisy an’ilay Afeka fahiny resahin’ny 1 Samoela 4:1. Toa manamarina izany ny zavatra nofongarina tao tamin’ny 1946, 1961, ary 1974.—Jereo AFEKA No. 4.
-
-
AfekaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
3. Tanàna tao amin’ny faritanin’i Asera, saingy tsy vitan’ilay foko ny naka azy. (Js 19:24, 30) Afika no iantsoan’ny Mpitsara 1:31 azy io. Misy milaza azy io ho i Tell Kordaneh (Tel Afek), tokotokony ho 8 km any atsimo atsimoatsinanan’i Ako.
-