FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Bala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • [6, 7: Tompo].

  • Isboseta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • ISBOSETA

      (Isbòsèta) [midika hoe “Lehilahin’ny Henatra”].

      Faralahin’i Saoly Mpanjaka sady mpandimby azy, ary antsoina koa hoe Esbala (“Lehilahin’i Bala”) ao amin’ny tetirazana. (1Ta 8:33; 9:39) Ny 2 Samoela 2:10 kosa manao hoe Isboseta, satria novana ho “boseta” ilay hoe “bala.” Nadika hoe “zava-mahamenatra” (TV) na “mampahamenatra” (Prot.) ny hoe bôshet (heb.) ao amin’ny Jeremia 3:24. Miara-miseho ao amin’ny andininy roa hafa ny hoe baʽal sy bôshet ary mitovy ihany ny heviny, ka manazava ny dikan’ny iray ny iray. (Je 11:13; Ho 9:10) Nosoloana hoe “boseta”, na endriny hafa aminy, koa ny hoe “bala” amin’ny anarana sasany. Novana hoe “Jerobeseta”, ohatra, ny hoe “Jerobala” (2Sa 11:21; Mpts 6:32), ary “Mefiboseta” ny hoe “Meri-bala”, izay anaran’ny zana-drahalahin’i Isboseta.​—2Sa 4:4; 1Ta 8:34; 9:40.

      Tsy tena fantatra ny antony nisian’ny anarana roa toy izany, na ny nanovana ilay anarana. Mety ho nomena anarana faharoa ny olona iray, hoy ny manam-pahaizana sasany, rehefa lasa i Bala irery ihany, izay andriamanitry ny fahavokarana nivavahan’ny Kananita, no nantsoina tamin’ny anarana iombonana hoe “bala” (tompo). Misy hoe Bala-perazima (“Tompon’ny Famakiana Laharana”) koa anefa ao amin’ilay Samoela Faharoa miresaka an’i Isboseta. Io no niantsoan’i Davida Mpanjaka ny toerana nitrangan’ny ady iray, ho fanomezam-boninahitra an’i Jehovah Tompo, satria hoy izy: ‘I Jehovah efa namaky ny laharan’ny fahavaloko.’ (2Sa 5:20) Ny hafa indray milaza fa ny hoe Isboseta dia mety ho fambara fa hahamenatra ny fomba hahafatesany, ary ho ratsy fiafara ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Saoly.

      Rehefa maty an’ady tao Gilboa i Saoly sy ny zanany lahy hafa, dia nentin’i Abnera, havan’i Saoly sy lehiben’ny tafiny, niampita an’i Jordana nankany Mahanaima i Isboseta, mba hatao mpanjakan’ny foko rehetra afa-tsy ny an’i Joda izay nofehezin’i Davida. Efapolo taona i Isboseta tamin’izay, ary nanjaka roa taona izy. Tsy tena resahin’ny Baiboly anefa hoe taiza ho aiza tamin’ireo fito taona sy tapany nanjakan’i Davida tao Hebrona izy no nitondra. Tsy fantatra àry hoe iza amin’ireo hevitra samihafa naroson’ny manam-pahaizana momba izany no marina. Toa mitombina kokoa anefa ny hoe maty kelikely ny rainy (fa tsy dimy taona taorian’izay) no lasa mpanjaka i Isboseta. Raha tsy izany mantsy, dia hisy elanelany dimy taona eo ho eo ny namonoana azy sy ny nanaovana an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely rehetra.​—2Sa 2:8-11; 4:7; 5:4, 5.

  • Andron’i Davida
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Maka

      2Sa 10:6-8

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara