FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Absaloma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tonga ny fotoana fanetezana ondry, roa taona taorian’izay. Fety be izany! Nanao fety àry i Absaloma tany Bala-hazora, 22 km teo ho eo, tany avaratra avaratratsinanan’i Jerosalema. Nasainy ny zanaky ny mpanjaka ary Davida mpanjaka koa. Tsy nety nandeha anefa i Davida rainy, ka niangavy azy mafy i Absaloma mba handefa an’i Amnona lahimatoany ho solony. (Oh 10:18) Hoy i Absaloma tamin’ny mpanompony, tany amin’ilay fety: ‘Raha vao falifaly noho ny divay ny fon’i Amnona, dia vonoy ho faty izy.’ Rehefa maty i Amnona, dia niverina tany Jerosalema ireo zanakalahin’ny mpanjaka, fa i Absaloma kosa nitsoaka tany amin’ny dadabeny syrianina, tany Gesora tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. (2Sa 13:23-38) Namely ‘ny ankohonan’i Davida’ “ny sabatra” nanomboka teo, araka ny efa nambaran’i Natana mpaminany, ary tsy nitsahatra izany mandra-pahafatin’i Davida.​—2Sa 12:10.

  • Amnona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nitana lolompo tamin’i Amnona i Absaloma, anadahin’i Tamara iray tam-po aminy, ka nankahala azy. Roa taona tatỳ aoriana, rehefa nanao fety tamin’ny fotoana fanetezana ondry i Absaloma, dia nasainy novonoin’ny mpanompony i Amnona raha mbola “falifaly noho ny divay.” (2Sa 13:20-29) Toa i Amnona no nanan-jo handova ny seza fiandrianana satria izy no lahimatoan’i Davida. Mety ho mora tamin’i Absaloma àry ny handova ny fanjakana rehefa maty i Amnona. Tamin’iny zava-nitranga iny no nanomboka tanteraka ny faminanian’i Natana momba an’i Davida, taorian’ny nijangajangany tamin’ny vadin’i Oria.​—2Sa 12:10; jereo ABSALOMA.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara