-
Fihetsika sy FanaoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Manapaka na manongotra volo; mikapo-tratra. Nanapaka ny volony (Jb 1:20), nanongotra volombava (Ezr 9:3), nisaron-doha (2Sa 15:30; Es 6:12), nanarona volombava (Ezk 24:17; Mi 3:7), ary niloloha tanana (2Sa 13:19; Je 2:37) ny olona kivy na menatra sy ankona. Misy mihevitra fa nitambesatra teo ambonin’ilay olona ory ny tanan’Andriamanitra matoa izy niloloha tanana. Nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa i Isaia ho famantarana fa ho menatra i Ejipta sy Etiopia. (Is 20:2-5) Mety ho nikapo-tratra koa ny olona iray nalahelo mafy na nibebaka (Mt 11:17; Lk 23:27), na mety ho nikapoka ny feny satria nanenina, menatra, afa-baraka, na ory.—Je 31:19; Ezk 21:12.
-
-
LohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Voninahitra, fietrena, fanambaniana. Tany amin’ny firenena sasany, dia niara-nalevina tamin’ny miaramila ny sabany, ka natao teo ambany lohany ho mari-boninahitra. (Ezk 32:27) Voalaza fa “eo amin’ny lohany ny mason’ny” hendry, izany hoe hitany tsara ny lalan-kizorany. (Mpto 2:14, f.a.p.) Nanisy vovoka na lavenona teo an-dohany ny olona rehefa nalahelo na nisaona na naetry. (Js 7:6; 1Sa 4:12; 2Sa 13:19) Nitantara an’ireo olana sy fijaliana nanjo ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanao salamo, ka nilaza fa nanitsaka ny lohan’ny Israely ny olona. Toa ny fahefana nampiharin’ny olona hafa firenena (heb.:ʼenôhsh, “olombelona mety maty”) teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra no tiana holazaina. Natanjaka sy nasiaka ary nanambony tena mantsy ireny olona ireny. (Sl 66:12; ampit. Is 51:23.) Manetry tena na misaona ny olona rehefa manondrika ny lohany (Is 58:5), ary maneso na manambany na mitolagaga izy rehefa mihivingivin-doha.—Sl 22:7; Je 18:15, 16; Mt 27:39, 40; Mr 15:29, 30.
-