FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpanandro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Moleka sy ny fanandroana tany Israely. Misy ifandraisany akaiky ny fanandroana sy ny fivavahana tamin’i Moleka. Andriamanitra manana lohan’ombilahy no natao sariny indraindray. Sarina ombilahy koa ny sarin’ny andriamani-diso toa an’i Mardoka sy Moleka ary Bala, izay nivavahan’ireo Babylonianina sy Kananita sy Ejipsianina ary firenen-kafa. Anisan’ny misongadina indrindra amin’ireo kintana fijerena tononandro ny ombilahy (Taureau). Sarina ombilahy matetika ny sarin’ny andriamanitra masoandro, ka ny tandrony no nanehoana ny tara-masoandro ary ny taovam-pananahany no herin’ny masoandro “mpanome aina.” Nomem-boninahitra toy izany koa ny ombivavy, ka sarin’ombivavy ny sarin’i Ishtar na Astarta. Fahotana lehibe teo imason’i Jehovah àry ny nivavahan’ny Israely tamin’ny sarivongana zanak’omby nataon’i Arona sy Jeroboama.​—Ek 32:4, 8; De 9:16; 1Mp 12:28-30; 2Mp 10:29.

      Nomelohina ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely satria ‘niala tamin’ny didy rehetra nomen’i Jehovah Andriamaniny, ka nanao sarivongana zanak’omby roa tamin’ny metaly. Nanao tsato-kazo masina koa izy ireo, sady niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra, ary nanompo an’i Bala. Nandoro ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo izy ireo, sady nanao sikidy sy nitady fambara.’​—2Mp 17:16, 17.

  • Zanak’omby
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nataon’i Jeroboama tany Dana, tanàna avaratra indrindra, ny zanak’omby volamena iray, ary ny iray tany Betela, 17 km teo ho eo avaratr’i Jerosalema. Nilaza tamin’ny vahoakany izy fa mafy loatra tamin’izy ireo, hono, ny niakatra hivavaka tany Jerosalema, ary ilay zanak’omby no Andriamanitra nitondra azy ireo niakatra avy tany Ejipta. (Ampit. Ek 32:8.) Nanendry mpisorona hitarika ny fivavahana tamin’ireo zanak’omby tany Dana sy Betela izy, satria mbola nanompo an’i Jehovah tany Jerosalema foana ny mpisorona avy amin’ny fokon’i Levy. (2Ta 11:13-15) Nankalaza fety mitovy amin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo koa izy, iray volana taorian’ilay fety tany Jerosalema.​—1Mp 12:28-33; 2Ta 13:8, 9; Le 23:39.

  • Fanjakana Nizara Roa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Betela

      1Mp 12:28, 29

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara