-
AbisagaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Vao vita iny fitantarana momba an’i Abisaga iny dia voaresaka ilay saika nandrombahan’i Adonia ny seza fiandrianana (i Adonia angamba no zokiny indrindra tamin’ireo zanakalahin’i Davida, mbola velona tamin’izay). Toa fanahy iniana nalahatra toy izany ny fitantarana mba hampahazava tsara ilay zavatra nataon’i Adonia rehefa nanjaka i Solomona. Rehefa lasa mpanjaka tokoa i Solomona, dia navelany ny helok’i Adonia, saingy nasiany fepetra. Taorian’izay, dia nasain’i Adonia nangataka an’i Abisaga ho vadiny tany amin’i Solomona i Batseba renin’i Solomona. Takatr’i Solomona fa tsy noho i Abisaga tsara tarehy no nahatonga an’i Adonia hangataka azy, fa tiany hohamafisina kosa hoe izy no tokony ho mpanjaka. Tezitra mafy àry i Solomona, ka nofoanany ilay famelan-keloka, ary nasainy novonoina i Adonia. (1Mp 2:13-25) Tsy misy firesahana an’i Abisaga intsony taorian’izay. Azo inoana anefa fa mbola anisan’ireo vady na vadikelin’i Solomona izy.—Jereo ADONIA No. 1.
-
-
AdoniaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Rehefa maty anefa i Davida, dia nankany amin’i Batseba i Adonia, ary niangavy an’i Batseba mba hisolo tena azy tany amin’i Solomona ka hangataka an’i Abisaga ho vadiny. Vadikelin’i Davida sady mpikarakara azy io tovovavy io. Hoy i Adonia: “Tokony ho ahy ny fanjakana, ary izaho no nandrandrain’ny Israely rehetra ho lasa mpanjaka.” Toa te hilaza izy hoe tsy nomena azy ny zony. Niaiky koa anefa izy fa avy tamin’i Jehovah izany. (1Mp 2:13-21) Nahoana izy no nangataka an’i Abisaga? Angamba fotsiny tiany hisy takalony ny namoizany ny fanjakana, nefa koa tena mety hoe mbola naniry mafy hahazo fahefana izy. Fanao tany Atsinanana fahiny mantsy ny hoe izay handimby ny mpanjaka ihany no tokony hahazo ny vady sy ny vadikelin’ny mpanjaka. (Ampit. 2Sa 3:7; 16:21.) Nihevitra àry i Solomona fa mbola te ho mpanjaka ihany i Adonia, ka nanome baiko ny hamonoana azy izy. Notanterahin’i Benaia avy hatrany ilay baiko.—1Mp 2:22-25.
-
-
VadikelyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Fomban’ny Tatsinanana ny hoe ny mpanjaka mandimby ihany no afaka maka ny vady sy ny vadikelin’ilay mpanjaka nodimbiasany ara-dalàna. Nanao firaisana tamin’izy folo vavy vadikelin’i Davida àry i Absaloma mba ho toy ny hoe ara-dalàna ny fahazoany ny fanjakan’i Davida rainy izay efa tsy nohajainy mihitsy. (2Sa 16:21, 22) Nanandrana naka ny fanjakana i Adonia zokin’i Solomona. I Solomona anefa no lasa mpanjaka. Nanatona an’i Batseba renin’i Solomona àry i Adonia, ka niteny hoe: “Fantatrao tsara fa tokony ho ahy ny fanjakana.” Niangaviany i Batseba avy eo mba hangataka tamin’i Solomona hoe homena azy i Abisaga Sonemita izay noheverina ho vadikelin’i Davida. Tezitra i Solomona ka hoy izy: “Angataho ho azy koa ny fanjakana.” Nandidy ny hamonoana an’i Adonia ho faty izy avy eo, ka hita tamin’izany fa taminy dia toy ny fakana ny fanjakana ilay fangatahan’i Adonia.—1Mp 1:5-7; 2:13-25.
-