-
GozanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Misy Baiboly mandika ny 2 Mpanjaka 17:6 sy 18:11 amin’ny hoe “Habora, onin’i Gozana” (Prot.), fa tsy hoe “Habora izay eo amin’ny reniranon’i Gozana” (TV). Mbola toerana ihany ilay hoe “Gozana” eo. Tsy mifanaraka amin’ny 1 Tantara 5:26 anefa ilay hoe “Habora, onin’i Gozana.” Eo anelanelan’i Hala sy Hara mantsy ilay hoe Habora ao amin’io andininy io, ary i Hara fa tsy i Habora no eo alohan’i Gozana. Midika izany fa tsy i Habora akory ilay ‘renirano’ na “onin’i Gozana” (Prot.). Voatery mandà an’io voalazan’ny Tantara io àry ireo manizingizina fa anaran-toerana ny hoe Gozana. Mitovy foana anefa ny teny hebreo nadika hoe “reniranon’i Gozana” ao amin’ireo andininy telo ireo. Azo inoana àry fa teny amoron’ny renirano iray nantsoina hoe Gozana no nanaovan’ny mpanjakan’i Asyria sesitany ny Israelita sasany avy tany amin’ny fanjakana tany avaratra. Misy milaza fa mety ho ny reniranon’i Kezel Ovzan any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Iran io “reniranon’i Gozana” io. Any amin’ireo tendrombohitra atsimoatsinanan’ny Farihin’i Ormia (ny tanin’ny Medianina fahiny) no misy ny loharanony. Mivarina any atsimoandrefan’ny Ranomasina Caspienne izy io, ary lasa hoe Sefid Rod na Renirano Fotsy ny anarany any. Misy koa anefa milaza fa renirano tany Mezopotamia i Gozana.
-
-
HaboraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
HABORA
(Habòra).
Tanàna na faritra nanaovana sesitany olona maro avy amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. I Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria, no nandefa azy ireo tany. (1Ta 5:26) Misy manam-pahaizana milaza an’i Habora ho i Abhar, tanàna eo amoron’ny Reniranon’i Kezel Ovzan any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Iran, tokony ho 210 km any andrefan’i Téhéran. Misy kosa mihevitra azy io ho sakelidranon’i Eofrata, izany hoe ny Reniranon’i Khabour any atsimoatsinanan’i Torkia, any avaratratsinanan’i Syria. Milaza izany izy ireo satria misy Baiboly mandika ny 2 Mpanjaka 17:6; 18:11 hoe “teo amoron’i Habora, onin’i Gozana.” (Prot., Kat.) Tokony hadika hoe “Habora izay eo amin’ny [na eo amoron’ny] reniranon’i Gozana” anefa io teny io, mba hifanaraka amin’ny 1 Tantara 5:26.—TV, DIEM; Jereo GOZANA.
-