FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Sahan’ny Mpanasa Lamba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • SAHAN’NY MPANASA LAMBA

      Toa toerana tany akaikin’i Jerosalema, ary tany no niasa ireo mpanasa lamba.

      Teo amin’ny “lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba” i Isaia sy Seara-jasoba zanany lahy no nasaina nihaona tamin’i Ahaza Mpanjaka. Tatỳ aoriana, dia tonga teo akaiky teo koa ireo irak’i Sankeriba. (2Mp 18:17; Is 7:3; 36:2) Marina fa tany ivelan’ny tanàna no nisy ny “lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba”, nefa tsy dia lavitra izy io matoa afaka nandre ny fanesoan’ireo irak’i Sankeriba ny olona teny amin’ny mandan’ny tanàna.​—2Mp 18:18, 26, 27; Is 36:1, 2.

      Voalaza fa nisy ‘lakandrano’ teo akaikin’ilay “lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.” Tsy ilay tionelin’i Hezekia izy io, satria mbola tsy namboarina io tionelina io tamin’ny andron’i Ahaza. Toa nanaraka ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona àry io lakandrano io, ka tonga hatrany amin’ny farany atsimo amin’ny Tanànan’i Davida. Toa teo amin’io lohasaha io na teo atsimo kokoa, tany akaikin’ny toerana voalaza fa nisy an’i En-rogela no nisy an’ilay sahan’ny mpanasa lamba.

  • Dobo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tsy resahin’ny Baiboly hoe taiza ho aiza tao Jerosalema ireo “dobo tranainy” (Is 22:11) sy “dobo ambony” (2Mp 18:17; Is 7:3; 36:2) ary “dobo ambany” (Is 22:9). I Birket el-Hamra eo amin’ny tendrony atsimon’ny Lohasahan’i Tyropoeona ilay “dobo ambany” (angamba ilay “Dobon’ny Lakandrano” [Ne 3:15]), hoy ny manam-pahaizana. Samy manana ny filazany momba izay nisy ny “dobo ambony” kosa izy ireo.​—Jereo DOBON’NY LAKANDRANO.

  • Rabsarisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • RABSARISA

      (Rabsarìsa) [Lehiben’ny Tandapa].

      Anaram-boninahitry ny lehiben’ny tandapa tao amin’ny fanjakan’i Asyria sy Babylona. Anisan’ireo olo-manan-kaja asyrianina telo nirahin’ny mpanjakan’i Asyria ho any amin’i Hezekia Mpanjaka any Jerosalema i Rabsarisa, mba handidy azy io hitolo-batana.​—2Mp 18:17.

      Anisan’ireo olona ambony babylonianina nandresy an’i Jerosalema niaraka tamin’i Nebokadnezara i Rabsarisa (607 T.K.), ary i Nebosazbana Rabsarisa no iray tamin’ireo nilaza tamin’i Jeremia mba ho any amin’i Gedalia. (Je 39:3, 13, 14; 40:1-5) Nisy soratra nofongarina ahitana an’io anaram-boninahitra io.​—Gazetin’ny Fikambanana Israelianina Mpanao Fikarohana, Jerosalema, 1967, Boky Faha-31, p. 77; Ny Lapa tao Ogarita (frantsay), III, Paris, 1955, No. 16:162, p. 126.

  • Rabsake
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • RABSAKE

      (Rabsakè) [avy amin’ny teny akadianina, ary mety hidika hoe “Lehiben’ny Mpandroso Zava-pisotro”].

      Anaram-boninahitry ny olona ambony asyrianina. (2Mp 18:17) Hoy ny soratra iray nataon’i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina: “Nirahiko ho any Tyro ny manamboninahitro, dia ny rabsak.” Hoy koa ny soratra nataon’i Asorobanipala Mpanjaka teo amin’ny takelaka iray ao amin’ny Tranombakoka Britanika: “Nasaiko nanatevin-daharana ny tafika nalefako (tany Ejipta) ny manamboninahitra rabsak.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282, 296.

      Nirahin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria ho any Jerosalema ny tafika lehibe nofehezin’i Tartana mpitari-tafika sy Rabsarisa ary Rabsake, fa izy kosa nanao fahirano an’i Lakisy, tanàna voaro mafy tany Joda. (2Mp 18:17; resahin’ny Isaia toko 36, 37 koa ilay tantara manontolo.) I Rabsake no mpitondra tenin’ireo manamboninahitra telo ireo, ary nasainy hitolo-batana i Hezekia Mpanjaka. (2Mp 18:19-25) Nijanona teo akaikin’ny lakandranon’ny dobo ambony izy ireo. Nahay teny hebreo sy syrianina i Rabsake (tsy voalaza ny anarany). Niteny hebreo izy niantso an’i Hezekia. Naniraka manamboninahitra telo anefa i Hezekia mba hiangavy azy hiteny syrianina fa tsy jiosy, satria ren’ny olona teny ambony manda ilay resaka. (2Mp 18:26, 27) Vao mainka anefa i Rabsake niteny mafy tamin’ny teny hebreo satria tiany ho kivy sy hihorohoro ny Jiosy. Nandainga izy, nanao fampanantenana poakaty, nanome tsiny, ary nanesoeso an’i Jehovah, mba hitaomana azy ireo hivadika tamin’i Hezekia Mpanjaka ka hitolo-batana tamin’ny Asyrianina. (2Mp 18:28-35) Tsy nivadika tamin’i Hezekia anefa ny mponin’i Jerosalema.​—2Mp 18:36.

  • Tartana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • TARTANA

      (Tartàna).

      Anaram-boninahitry ny manam-pahefana ambony, angamba nanarakaraka ny mpanjaka, araka ny asa soratra asyrianina. Hoy i James Pritchard momba ny filaharan’ny anaram-boninahitra asyrianina: “Arakaraka ny toerana notanan’ny manam-pahefana no nisy azy tao amin’ilay filaharana, ka nanarakaraka ny mpanjaka ny manam-pahefana ambony indrindra (tartano), avy eo ny tandapa ambony ... ary ny governoran’ny faritany lehibe indrindra.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, 1974, p. 274; jereo FANISAN-TAONA [Lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina].) Hoy ny soratra nataon’i Asorobanipala mpanjaka asyrianina, ao amin’ny Tranombakoka Britanika: “Tezitra be aho ary tsy faly mihitsy, noho ireny zava-nitranga ireny. Nantsoiko àry ny tortan manam-pahefana, ireo governora, ary ireo mpanampy azy ka nomeko baiko avy hatrany.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 296.

      Nirahin’i Sankeriba Mpanjaka i Tartana sy ny manam-pahefana hafa ary Rabsake (lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka) izay nitondra teny, mba handresy lahatra an’i Jerosalema hitolo-batana. Voatonona voalohany i Tartana, satria izy angamba no ambony indrindra. (2Mp 18:17, 28-35) Nisy Tartana nirahin’i Sargona II mpanjakan’i Asyria hanao fahirano ny tanànan’i Asdoda, tamin’ny andron’i Isaia mpaminany.​—Is 20:1.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara