-
JerosalemaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mbola nisy manda naorina tamin’ny sisin’ny Lohasahan’i Kidrona tamin’ny andro nanjakan’i Manase (716-662 T.K.). Vao mainka niala tamin’ny fivavahana marina koa anefa ilay firenena. (2Ta 33:1-9, 14) Niezaka namerina ny fivavahana marina i Josia zafikelin’i Manase, nandritra ny fotoana kelikely. “Nozimbazimbain’i Josia” (toa nataony fanariam-pakom-bahoaka) ny Lohasahan’i Hinoma, izay nanaovan’ireo mpanompo sampy fombafomba maharikoriko. (2Mp 23:10; 2Ta 33:6) Toa avy eo amin’ny “Vavahadin’ny Antontan-davenona” ny lalana mankeo amin’io lohasaha io. (Ne 3:13, 14; jereo GEHENA; HINOMA, LOHASAHAN’I.) Tamin’ny andron’i Josia vao voaresaka voalohany ilay “tanàna vaovao” (“tanàna faharoa”, Kat.) tao Jerosalema. (2Mp 22:14; 2Ta 34:22) Maro no mihevitra fa io “tanàna vaovao” io ilay ampahan-tanàna teo amin’ny ilany andrefana na avaratrandrefan’ny faritry ny tempoly.—Ze 1:10.
-
-
SalomaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
7. Taranak’i Arona Mpisoronabe, ka mety ho mpisoronabe koa. I Hilkia zanany na taranany no mpisoronabe tamin’ny andro nanjakan’i Josia. (1Ta 6:12, 13; 2Ta 34:9) Taranany koa i Ezra. (Ezr 7:1, 2) Misy andininy miantso azy hoe Mesolama.—1Ta 9:11; Ne 11:11; jereo MESOLAMA No. 4.
-