-
Kiran’i MoabaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanafika an’i Kira-haresa ny tafik’i Israely sy Joda ary Edoma, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafolo T.K. Raha i Karak tokoa izy io, dia azo antoka fa avy teny amin’ny tendrombohitra teny akaiky ireo mpampiasa pilotra no nanao tifitra variraraka an’ilay tanàna. Mafy ny ady tamin’izay, na dia tsy azo aza i Kira-haresa. Tsy fantatra ny antony, fa saika hanavatsava ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma ny mpanjakan’i Moaba sy ny miaramilany 700. Tsy nahomby anefa izy ireo. Lany haika ny mpanjakan’i Moaba ka toa nataony sorona teo imason’ny rehetra ny lahimatoany, angamba mba hampitonena an’i Kemosy andriamanitra. (2Mp 3:5, 9, 25-27) Mety ho ny lahimatoan’ny mpanjakan’i Edoma koa anefa ilay natao sorona, raha jerena ny teny hebreo tany am-boalohany. (2Mp 3:27) Misy àry milaza fa io ilay resahin’ny Amosa 2:1. Tsy azo inoana loatra anefa izany.
-
-
MesaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Efa ho tratra i Mesa Mpanjaka, ka nitondra 700 lahy mpitan-tsabatra hanavatsava ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma (nihevitra izy angamba fa ny Edomita no mora noresena indrindra). Tsy nahomby anefa izy. “Farany, dia nalain’ny mpanjakan’i Moaba ny zanany lahimatoa, izay tokony hanjaka handimby azy, ka natolony ho fanatitra dorana teo ambony manda.”—2Mp 3:26, 27.
Eken’ny ankamaroan’ny mpivaofy teny fa ny zanany lahy no natolotr’i Mesa ho sorona ho an’i Kemosy andriamaniny. Misy anefa milaza fa ny zanakalahin’ny mpanjakan’i Edoma no nobaboin’i Mesa, ka nataony sorona. Porofon’izany, hono, ny voalazan’ny Amosa 2:1 hoe “nandoro ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma” i Moaba “mba hahazoana sokay.” Mety ho izay ny hevitr’ilay andininy, raha jerena ny fitsipi-pitenenana hebreo. Toa tsy mitombina anefa izany. Mbola tsy nisy porofo mihitsy mantsy hoe nanolotra ny fahavalony ho sorona ho an’ny andriamaniny ny Moabita sy ny Amonita, izay nonina teny akaikin’i Israely. Fanaony kosa ny nanolotra ny zanany ho sorona dorana mba hampitonena ny andriamaniny. (De 12:30, 31; Mi 6:6, 7) Tsy mahagaga àry raha nanao izany i Mesa mpivavaka tamin’i Kemosy, rehefa hitany fa ho resy izy.
-
-
MoabaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Faminaniana momba an’i Moaba. Nanohitra ny Israely hatry ny ela i Moaba, ka voatonona miaraka amin’ireo fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah. (Ampit. Is 11:14.) Nomelohina izy noho izy nandatsa ny Israely sy nirehareha ary nanambony tena. Ho lao toa an’i Sodoma koa àry izy. (Ze 2:8-11; jereo koa Je 48:29.) Hahita loza i Moaba, hoy i Amosa tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy T.K., satria “nandoro ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma mba hahazoana sokay.” (Am 2:1-3) Misy mihevitra fa ny lahimatoan’ny mpanjakan’i Edoma, fa tsy ny zanakalahin’i Mesa Mpanjaka, no nolazain’ny 2 Mpanjaka 3:26, 27 hoe nataony sorona. Tsy mitombina anefa izany. Misy kosa lovantsofina jiosy milaza fa taorian’iny ady tamin’i Mesa iny no nofongarin’ny Moabita ny taolambalon’ny mpanjakan’i Edoma, ka nodorany mba hahazoana sokay. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe oviana no tanteraka ilay faminaniana.
-