FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Arama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Arama-zoba: Fanjakana aramianina anisan’ny fahavalon’i Saoly Mpanjaka (1117-1078 T.K.). (1Sa 14:47) Toa tany avaratr’i Damaskosy izy io, ary hatrany Hamata tany avaratra ka hatrany Eofrata tany atsinanana ny faritra nofeheziny. Nifanandrina tamin’i Davida i Hadadezera, mpanjaka nahery tany Arama-zoba, ary resiny. (2Sa 8:3, 4; 1Ta 18:3; ampit. Sl 60:t.m.) Lasa mpanjakan’i Damaskosy i Rezona Aramianina lehiben’ny mpandroba taorian’izay. Tsy ela dia lasa tanàna aramianina nalaza indrindra (1Mp 11:23-25) sy “lohan’i Syria” i Damaskosy. (Is 7:8) Niady tamin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra foana izy io.​—Jereo DAMASKOSY.

  • Hadadezera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • HADADEZERA

      (Hadadezèra) [I Hadada dia Mpanampy].

      Zanak’i Rehoba sady mpanjakan’i Zoba. Fanjakana syrianina (aramianina) tany avaratr’i Damaskosy angamba i Zoba (2Sa 8:3, 5; 1Mp 11:23; 1Ta 18:3, 5), ary nisy fanjakana hafa nofeheziny. (2Sa 10:19) Niady tamin’i Toy mpanjakan’i Hamata i Hadadezera, talohan’ny nandresen’i Davida Mpanjaka azy.​—2Sa 8:9, 10; 1Ta 18:9, 10.

      Resin’i Davida ireo Syrianina nokaramain’ny Amonita hiady taminy. Nampaka Syrianina hafa avy any amin’ny faritr’i Eofrata àry i Hadadezera, mba hanampy ny tafiny. (2Sa 10:6, 15, 16; 1Ta 19:16) Toa izany no tian’ny 2 Samoela 8:3 horesahina. (Ampit. 1Ta 18:3.) Voalaza ao mantsy hoe nitady hifehy indray ny faritra tany amin’ny reniranon’i Eofrata i Hadadezera. Midika ara-bakiteny hoe “mamerina ny tanany” izany, araka ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Cook. Hoy koa izy io: “Ny teny manodidina no tena ... ahafantarana ny hevitr’ilay teny an’ohatra. Azo inoana fa ilay tantara amin’ny an-tsipiriany [ao amin’ny 2Sa 10:15-19] no tiana horesahina eo. Raha izany no izy, dia izao no dikan’ilay fehezanteny: Rehefa nandeha nanafika (ny Israelita) indray izy (Hadadezera), na nandeha naka miaramila hafa tany amin’ny reniranon’i Eofrata mba hiady tamin’ny Israely.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara