-
MpanjakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Solontena notendren’Andriamanitra. Notendren’i Jehovah izay hanjaka eo amin’ny vahoakany. Nisolo tena Azy izy ireny satria “ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah” no nipetrahany fa tsy ny an’ny tenany. (1Ta 28:5; 29:23) Tsy toy ny firenena tatsinanana sasany ny Israelita, satria tsy nanao an’ireo mpanjakany ho andriamanitra. Voahosotr’i Jehovah ny mpanjaka rehetra tao Joda, na dia tsy voalaza aza hoe nohosorana menaka ara-bakiteny izy tsirairay rehefa nahazo fahefana. Nohosorana menaka ara-bakiteny kosa ny mpanjaka rehefa izy no niavian’ny tarana-mpanjaka vaovao, rehefa nisy niady seza tamin’ny andron’i Davida (tamin’izy efa antitra) sy Joasy, ary rehefa ny zandriny no natao mpanjaka talohan’ny zokiny toy ny tamin’i Joahaza. (1Sa 10:1; 16:13; 1Mp 1:39; 2Mp 11:12; 23:30, 31, 34, 36) Efa fanao tamin’izany anefa ny nanosotra menaka an’izay ho mpanjaka.
-
-
Fanjakan’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Hisolo tena an’Andriamanitra eto an-tany ireo mpanjaka hotendren’i Jehovah. Tsy nampihena velively ny fahefan’i Jehovah tamin’ilay firenena anefa ny fisian’izy ireny. Mpanjaka lefitra izy ireny, ary nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah, raha ny marina. (1Ta 29:23) Nasain’i Jehovah nohosorana ho mpanjaka voalohany i Saoly (1Sa 9:15-17), nefa naharihariny koa ny tsy fahampiam-pinoan’ny vahoaka na izany aza.—1Sa 10:17-25.
Tsy maintsy nanaja ny fahefan’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka, raha tiany hitondra soa ilay fanjakana. Ho ringana izy ireo sy ny mpanjakany raha miantehitra amin-javatra hafa, fa tsy amin’ny tari-dalan’i Jehovah sy ny fiarovany. (De 28:36; 1Sa 12:13-15, 20-25) Nila nitandrina ny mpanjaka mba tsy hiantehitra tamin’ny herin’ny tafiny, tsy hampitombo ny isan’ny vadiny, ary tsy ho matimatin-karena. Tokony hifanaraka tanteraka amin’izay takin’ny fifaneken’ny Lalàna ny fomba itondrany ny fanjakana. Nasain’Andriamanitra nadikany tamin’ny boky io Lalàna io mba hovakiny isan’andro. Hatahotra foana an’ilay Manam-pahefana Fara Tampony izy amin’izay, hanetry tena mandrakariva, ary hanao izay mahitsy foana. (De 17:16-20) Raha miezaka hanao izany izy, ka tia an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy tia ny namany tahaka ny tenany, dia hitondra fiadanana ny fitondrany, ary tsy hisy olona hitaraina hoe nampahorina na hoe nizaka ny mafy. Namela ny mpitondra hampiharihary izay tao am-pony anefa i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny vahoaka ihany. Ho hita amin’izay raha vonona hanaiky ny fahefan’Andriamanitra sy ny sitrapony izy ireo, na tsia.
-
-
LalànaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
I Jehovah no Mpanjaka Fara Tampony, raha ny Lalàna no jerena. Andriamanitra sady Mpanjakan’ny Israely izy. Nanota tamin’Andriamanitra sy nahavita heloka tamin’ny Mpanjaka àry ireo tsy nankatò ny Lalàna. Nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” i Davida sy Solomona ary ireo mpanjakan’ny Joda nandimby azy. (1Ta 29:23) Tsy maintsy nankatò ny Lalàna anefa ireo mpanjaka sy mpitondra teo amin’ny Israely. Nandika lalàna àry izy ireo ka nampamoahin’Andriamanitra, rehefa nanao fitondrana jadona. (1Sa 15:22, 23) Tsy afaka ny ho mpisorona ny mpanjaka, sao ho lasany daholo ny fahefana rehetra ka hanjary ho mpitondra tsy refesi-mandidy izy. Nampahatsiahy ny Israelita koa izany fa i Jehovah no Andriamaniny sy tena Mpanjakany. Nofaritan’ny Lalàna ny fomba tokony hifandraisan’ny Israelita tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olon-kafa. Afaka nanatona an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpisorona ny Israelita tsirairay.
-
-
MpitondraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
I Jehovah no tena Mpanjaka tsy hita maso, ary solontenany ireo mpanjaka taranak’i Davida tany Israely. Azo lazaina hoe voahosotr’Andriamanitra sy nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” àry izy ireo. (1Ta 29:23) Tsy nohosorana menaka fa nohosorana fanahy masina i Jesosy Kristy “Zanak’i Davida” (Mt 21:9; Lk 20:41), mba ho mpanjaka any an-danitra. (As 2:34-36) Hitondra an’izao rehetra izao izy sy ireo mpiara-mandova aminy, saingy ho eo ambany fahefan’i Jehovah.—Ap 14:1, 4; 20:4, 6; 22:5.
-
-
Seza FiandriananaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Toy ny hoe nanana seza fiandrianana tetỳ an-tany i Jehovah rehefa nifandray tamin’ny zanak’Israely. Nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” mantsy ny mpanjakan’ny Israely, satria tokony ho ‘mpanjaka nofidin’i Jehovah Andriamaniny’ izy, nitondra ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny anaran’i Jehovah, ary nankatò ny lalàny.—De 17:14-18; 1Ta 29:23.
-