FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • 4. Anisan’ireo lohan’ny fianakaviamben’ilay fokon’i Manase tany atsinanan’i Jordana, tamin’ny andron’ireo mpanjaka. “Nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razany” ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase (anisan’izany ny taranak’io Jeremia io) tany, “ka nanana fifandraisana mamoafady tamin’ny andriamanitry ny mponin’ilay tany, dia ny mponina efa naringan’Andriamanitra tsy ho eo anatrehan’izy ireo. Koa nampirisihin’ilay Andriamanitry ny Israely i Pola mpanjakan’i Asyria, dia i Tilgato-pilnesera mpanjakan’i Asyria, mba hanao sesitany ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase [tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely]. Dia nentin’izy io nankany Hala sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana izy ireo.”​—1Ta 5:23-26; 2Mp 15:29.

  • Pola
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • (Pòla).

  • Tiglato-pilesera (III)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Antsoina hoe “Pola” izy ao amin’ny andininy voalohany miresaka momba azy. (2Mp 15:19) Milaza ny 1 Tantara 5:26 fa ‘nampirisihin’Andriamanitra i Pola mpanjakan’i Asyria, dia i Tilgato-pilnesera mpanjakan’i Asyria, mba hanao sesitany’ an’ireo foko israelita sasany. Asehon’ny tantara fahiny fa i Pola tokoa no Tilgato-pilnesera. Hita ao amin’ilay “Lisitra A Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Babylonianina” mantsy ny anarana hoe “Polo”, izay mifanitsy amin’ny hoe “Tokoltiapilesharra” (Tiglato-pilesera) ao amin’ilay “Tantaran’ireo Mpanjaka Niara-belona.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 272, 273) Tsara homarihina koa fa milaza tokana, fa tsy milaza maro, ilay matoanteny hebreo nadika hoe “hanao sesitany.” Heverina àry fa “Pola” no anaran’ilay mpanjaka, fa novany hoe “Tiglato-pilesera” (anaran’ny mpanjaka asyrianina nalaza talohany) ilay izy rehefa lasa mpanjaka izy.

      Toa variana nanamafy tsikelikely ny sisin-taniny tany atsimo sy atsinanana ary avaratra i Tiglato-pilesera III, raha vao nanjaka kelikely. Tsy ela anefa dia nikendry hanafika an’i Syria sy Palestina tany andrefana koa izy.

      Noresahin’ny soratra asyrianina ny nanafihan’i Tiglato-pilesera III an’i Syria, ary voatonona ao imbetsaka ny anaran’i Azriao avy any Ia-o-da-a-a (Joda). (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 282, 283) Toa i Azaria mpanjakan’ny Joda, fantatra kokoa amin’ny hoe Ozia (829-778 T.K.), io Azriao io. Misy anefa tsy manaiky an’izany, satria, hono, nantsoina koa hoe Joda indraindray i Samʼal, fanjakana kely tany Syria. Tsy azo inoana anefa hoe mpanjaka mpanompo sampy dia hanana anarana misy hoe Jah (fanafohezana ny hoe Jehovah), sady hiara-belona amin’ilay mpanjakan’ny Joda mitovy anarana aminy. Tsy resahin’ny Baiboly koa anefa hoe nifandray tamin’i Azaria (Ozia) i Tiglato-pilesera III, ary efa potika be ihany ireo tantara an-tsoratra asyrianina.

      Tonga hanafika an’i Palestina i Tiglato-pilesera III (Pola) tamin’ny andron’i Menahema mpanjakan’ny Israely (t. 790-781 T.K.). Nila sitraka taminy àry i Menahema ka nandoa hetra “talenta volafotsy arivo” (6 606 000 dolara) taminy. Afa-po tamin’iny aloha i Tiglato-pilesera ka lasa. (2Mp 15:19, 20) Milaza ireo soratra asyrianina fa nandoa hetra tamin’i Tiglato-pilesera i Me-ni-hi-im-me (Menahema), sy Rezona (Rezina) avy any Damaskosy, ary Hirama avy any Tyro.

      Niray dina tamin’i Rezina mpanjakan’i Damaskosy i Peka mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda (761-746 T.K.), ka nanafika an’i Joda. (2Mp 16:5, 6; Is 7:1, 2) Efa nanome toky an’i Ahaza i Isaia mpaminany fa tsy ho ela dia ho rava tanteraka ireo fanjakana roa ireo. Naleon’i Ahaza anefa nitady vonjy tamin’i Tiglato-pilesera, ka nanome tsolotra azy. (2Mp 16:7, 8; Is 7:7-16; 8:9-13) Resahin’ny soratra asyrianina iray hoe ireto avy no hetra naloan’i Ia-o-ha-zi (Joahaza, na Ahaza) avy any Joda, sy ireo mpanjaka hafa teny amin’ny manodidina: “Volamena, volafotsy, firapotsy, vy, antimoanina [metaly fotsy manopy manga], akanjo rongony misy haingony mareva-doko, akanjo volonondry miloko volomparasy be (nataon’ny orinasany), ... zava-tsarobidy isan-karazany vita amin’ny zavatra avy any anaty ranomasina na avy etỳ an-tanety, ireo vokatry ny tany (tsara indrindra), ny harenan’ireo mpanjaka, soavaly, ramole (efa nozarina hitondra) zioga.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 282) Nanafika an’i Israely tokoa àry ilay mpanjaka asyrianina rehefa nahazo tsolotra tamin’i Ahaza, ka namabo tanàna maromaro tany avaratra. Resiny ny faritr’i Gileada sy Galilia ary Naftaly, ka Israelita maro no nataony sesitany. (2Mp 15:29; 1Ta 5:6, 26) Resiny koa i Damaskosy, ary novonoiny i Rezina Mpanjaka. Nitsidika an’i Tiglato-pilesera III tany Damaskosy i Ahaza mpanjakan’ny Joda, ka asa na ho fisaorana azy no nandehanany tany na ho mariky ny fanekeny azy.​—2Mp 16:9-12.

      Naminany i Isaia fa hampiasain’i Jehovah toy ny “hareza nohofana” ny mpanjakan’i Asyria mba “hanaratana” ny fanjakan’ny Joda. (Is 7:17, 20) Tsy fantatra raha i Tiglato-pilesera III, izay nomen’i Ahaza tsolotra, ilay “hareza nohofana”, na tsia. Voalaza anefa fa tena nampahory an’i Ahaza mpanjakan’ny Joda i Tiglato-pilesera. “Tsy nahavonjy” an’i Ahaza akory ilay tsolotra nomeny. (2Ta 28:20, 21) Tamin’izay angamba no voalohany ‘nanafotra’ an’i Joda ny tafik’i Asyria. Nitohy ilay fanafihana ka ‘nisondrotra hatreny am-bozona’, tamin’ny andron’i Hezekia.​—Is 8:5-8; 2Mp 18:13, 14.

      Nanoratra toy izao i Tiglato-pilesera III momba ny fanjakan’ny Israely tany avaratra: “Naongan’izy ireo i Peka (Pa-ka-ha) mpanjakany, ka i Hosea (A-o-si-ʼ) indray no nataoko mpanjakany. Talenta volamena 10 [3 853 500 dolara] sy talenta volafotsy 1000 (?) [6 606 000 dolara] no hetra naloan’izy ireo tamiko, ka nentiko tatỳ Asyria.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 284) Te hilaza àry ilay mpanjaka asyrianina fa izy no nanendry an’i Hosea ho mpanjakan’ny Israely, rehefa avy novonoin’i Hosea i Peka, mpanjaka talohany (t. 758 T.K.).​—2Mp 15:30.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara