-
Fireharehana, Fanambonian-tenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nisy fotoana koa nirehareha ny fon’i Hezekia Mpanjaka, ary nisy fiantraikany teo amin’ny vahoakany izany. Mpanjaka tsara izy ary notahin’i Jehovah ka nisandratra. Tsy takany anefa hoe Andriamanitra no tokony homem-boninahitra noho izany rehetra izany. Hoy ny Baiboly: “Tsy mba namaly ny soa natao taminy anefa i Hezekia, satria nanjary nirehareha ny fony. Koa tezitra taminy sy tamin’ny Joda sy Jerosalema Andriamanitra.” Soa ihany fa niova izy. Hoy ihany ny Baiboly: “Nanetry tena anefa i Hezekia ka nibebaka tamin’ny fireharehan’ny fony, dia izy sy ny mponin’i Jerosalema. Koa tsy nihatra tamin’izy ireo tamin’ny andron’i Hezekia ny fahatezeran’i Jehovah.”—2Ta 32:25, 26; ampit. Is 3:16-24; Ezk 28:2, 5, 17.
-
-
HezekiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nanao fahadisoana nefa nibebaka. Hoy ny Baiboly: “Tsy mba namaly ny soa natao taminy anefa i Hezekia, satria nanjary nirehareha ny fony. Koa tezitra taminy sy tamin’ny Joda sy Jerosalema Andriamanitra.” (2Ta 32:25) Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona io nireharehan’i Hezekia io. Angamba izany ilay zavatra nataony tamin’izy efa sitrana. Namangy azy mantsy ireo irak’i Berodaka-baladana (Merodaka-baladana) mpanjakan’i Babylona, ka nasehony azy ireo ny zava-drehetra tao amin’ny fitehirizan-karena tao an-tranony sy tao amin’ny fanjakany manontolo. Hadalana mihitsy izany. Angamba izy te hisehoseho tamin’ny mpanjakan’i Babylona, mba hahatonga azy io hanampy azy hiady tamin’ny mpanjakan’i Asyria. Mazava ho azy, fa niteraka fitsiriritana tao amin’ny Babylonianina izany. Tsy neken’i Isaia mpaminany mihitsy anefa ny hanaovana fifanekena na hitadiavana fanampiana tamin’i Babylona, izay fahavalon’Andriamanitra efa hatry ny ela. Rehefa reny àry izay nataon’i Hezekia tamin’ireo irak’i Babylona, dia nilaza faminaniana avy tamin’i Jehovah izy hoe ho avy ny andro hitondran’ny Babylonianina ny zava-drehetra any Babylona, ka anisan’izany ny sasany amin’ny taranak’i Hezekia. Nanetry tena anefa i Hezekia ka tsara fanahy taminy i Jehovah, ary tsy namela ilay loza ho tonga tamin’ny androny.—2Mp 20:12-19; 2Ta 32:26, 31; Is 39:1-8.
-