FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Handray Lesona avy Amin’izay Nitranga Fahiny ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Martsa
    • 12 Lasa nirehareha i Hezekia. Nahoana? Mety ho noho izy naharesy an’ireo Asyrianina ve, sa noho izy nositranin’i Jehovah? Sa noho izy “nanan-karem-be sy nahazo voninahitra be”? Tsy lazain’ny Baiboly ny antony. “Tsy mba namaly ny soa natao taminy” i Hezekia satria lasa nirehareha. Tsy faly taminy àry i Jehovah, na dia nanompo azy tamin’ny fony manontolo aza izy. “Nanetry tena anefa i Hezekia” tatỳ aoriana, ka tsy tezitra taminy sy ny vahoakany intsony i Jehovah.—2 Tan. 32:25-27; Sal. 138:6.

  • Handray Lesona avy Amin’izay Nitranga Fahiny ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Martsa
    • 14 Mila manaraka ny tenin’i Jesosy isika rehefa misy midera antsika. Hoy izy: “Rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tokony ho nataonay no nataonay.’” (Lioka 17:10) Tadidio fa lasa tsy nankasitraka ny soa nataon’i Jehovah taminy i Hezekia, rehefa nirehareha. Rehefa misy midera anao àry, dia saintsaino ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah ho anao. Hanampy anao tsy hanambony tena izany. Halan’i Jehovah mantsy io toetra io. Azonao atao koa ny miresaka momba an’i Jehovah sy ny nanampiany anao. Izy mantsy no nanome ny Baiboly sy ny fanahy masina mba hanampiana ny mpanompony.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara