-
JerosalemaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mpanjaka tsy nivadika i Hezekia, izay nandimby an’i Ahaza rainy mpivadi-pinoana. Nodioviny ny tempoly ary namboariny ny simba rehetra tao. Nandamina fankalazana Paska manetriketrika koa izy, ka tonga tao Jerosalema hatramin’ireo avy tany amin’ny fanjakana tany avaratra. (2Ta 29:1-5, 18, 19; 30:1, 10-26) Nandrisika ny olona hanaraka ny fivavahana marina izany. Tsy ela anefa dia nisompatra izany ny mpanompo sampy sady mpaneso an’ilay tena Andriamanitra izay nametraka ny anarany tao Jerosalema. Tamin’ny 732 T.K., izany hoe valo taona taorian’ny nandresen’ny Asyrianina ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, dia nandravarava eran’i Palestina i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ka nandefa tafika handrahona an’i Jerosalema. (2Ta 32:1, 9) Efa vonona i Hezekia raha misy fahirano: Notampenany ireo loharano tany ivelan’ny tanàna mba tsy ho azon’ny fahavalo ampiasaina. Namboariny sy nohamafisiny tsara koa ireo manda. (2Ta 32:2-5, 27-30) Toa efa vita tamin’ny fotoana tsy nisian’ny ady ilay “lakandrano” avy teo amin’ny loharanon’i Gihona nankao an-tanàna. (2Mp 20:20; 2Ta 32:30) Misy mino hoe anisan’ilay lakandrano ilay tionelin-drano nolavahana teo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i Kidrona, ary mifarana eo amin’ny Dobon’i Siloama eo amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona. Raha marina izany, dia tena asa be tsy ho vita tao anatin’ny andro vitsivitsy ilay izy. (Jereo ARKEOLOJIA [Palestina sy Syria]; GIHONA No. 2.) Tsy ny manda sy ny tahirin-drano sy sakafo na zavatra hafa anefa no tena niaro an’ilay tanàna, fa ny herin’i Jehovah Andriamanitra, satria hoy izy: “Hiaro an’ity tanàna ity aho, ka hamonjy azy noho ny amiko sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.” (2Mp 19:32-34) Nisy fahagagana ka miaramila asyrianina 185 000 no ringana, ary nikoropaka nody tany Asyria i Sankeriba. (2Mp 19:35, 36) Rehefa mitantara an’io zava-nitranga io ny Asyrianina, dia mirehareha erỳ i Sankeriba hoe nohidiany tao Jerosalema toy ny ‘vorona nogadraina’ i Hezekia. Tsy nihambo mihitsy anefa izy hoe nandresy an’ilay tanàna.—Jereo SANKERIBA.
-
-
DoboFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Dobon’i Jerosalema. Tao Birket Silwan ankehitriny, eo atsimoandrefan’ny Tanànan’i Davida, no toa nisy ny Dobon’i Siloama fahiny. (Jn 9:7) Azo inoana fa teo akaiky teo koa ilay dobo namboarin’i Hezekia Mpanjaka, izay nifampitohy tamin’ilay lakandrano nitarihany ny ranon’ny loharanon’i Gihona nankao Jerosalema.—2Mp 20:20; 2Ta 32:30.
-