-
JosiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Rehefa voadion’i Josia Mpanjaka ny tanin’i Joda, ary nasainy namboarina ny simba tamin’ny tempoly, dia hitan’i Hilkia Mpisoronabe ny “boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy”, izany hoe ilay nosoratan’i Mosesy. I Safana mpitan-tsoratra no notoloran’i Hilkia an’ilay boky ka namaky azy tamin’i Josia, rehefa avy nitatitra momba ny fanamboarana ny tempoly izy. Tonga dia nandrovitra ny akanjony ilay mpanjaka tsara, ary avy eo naniraka lehilahy dimy hanontany an’i Jehovah ho azy sy ny vahoaka. Nankany amin’i Holda mpaminanivavy tao Jerosalema izy ireo, ka hoy izy io: ‘Ho avy ny loza satria tsy nankatò ny Lalàn’i Jehovah ny olona. Nanetry tena anefa ianao, ry Josia Mpanjaka, ka amin’ny fotoana mampandry feizay ny tany no hahafatesanao. Tsy hahita ilay loza àry ianao.’—2Mp 22:3-20; 2Ta 34:8-28; jereo HOLDA.
-
-
Vakiteny AmpahibemasoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Novakin’i Josoa mafy tamin’ny Israely tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina “izay rehetra voalazan’ny lalàna, dia ny fitahiana sy ny ozona.” (Js 8:33-35) Nirahin’i Josafata Mpanjaka hampianatra isan-tanàna tany Joda ny andriana sy Levita ary mpisorona (2Ta 17:7-9), ka azo antoka fa namaky teny ampahibemaso. Hitan’i Hilkia mpisorona “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy”, rehefa namboarina ny tempoly tatỳ aoriana. Novakin’i Josia tamin’ny rehetra ilay boky, izay azo antoka fa nosoratan’i Mosesy. (2Mp 23:2; 2Ta 34:14) Fongotra àry ny fanompoana demonia tany Joda. Novakin’i Ezra (nampian’i Nehemia Governora) sy nohazavainy tamin’ny vahoaka ny Lalàna, nanomboka vao maraina be ka hatramin’ny mitataovovonana, taorian’ny sesitany.—Ne 8:3, 8; jereo HEBREO, II (Oviana no nanomboka nihalefy ny teny hebreo?).
-