FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-14 — 2 Tantara
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
    • 33. a) Ahoana no nanombohan’ilay fahafoanana naharitra 70 taona, “hanatanterahana ny tenin’i Jehovah”? b) Didy ara-tantara inona no noraketina tao amin’ireo andininy roa farany amin’ny Tantara Faharoa?

      33 Farany, i Zedekia dia nikomy tamin’ny ziogan’i Babylona, ary tamin’itỳ indray mandeha itỳ, i Nebokadnezara dia tsy naneho famindram-po. Feno ny fahatezeran’i Jehovah, ka tsy nisy nahavonjy azy. Nianjera i Jerosalema, norobaina sy nodorana ny tempoliny ary ireo olona sisa tsy maty tamin’ilay fahirano naharitra 18 volana dia nentina ho babo tany Babylona. Navela ho foana i Joda. Noho izany, tamin’io taona 607 al.f.i. io ihany, dia nanomboka ilay fahafoanana, “hanatanterahana ny tenin’i Jehovah nampilazaina an’i Jeremia (...) mandra-pahatapitry ny fito-polo taona”. (36:21). Avy eo ny mpanoratra ilay fitantarana dia nitsambikina fe-potoana efa ho 70 taona, mba hiraketana ao amin’ireo andininy roa farany, ilay didy manan-tantara navoakan’i Kyrosy tamin’ny 537 al.f.i. Hafahana ireo Jiosy babo! Tsy maintsy mitsangana indray i Jerosalema!

  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-14 — 2 Tantara
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
    • 35. Hevi-dehibe inona avy no porofoin’ireo andininy mamarana ny Tantara Faharoa?

      35 Ireo andininy mamarana ny Tantara Faharoa, (36:17-23), dia manome porofo mafy orina ny amin’ny fahatanterahan’ny Jeremia 25:12. Ho fanampin’izany, izy ireo dia mampiseho fa 70 taona feno no tsy maintsy isaina nanomboka tamin’ny fahafoanana fenon’ilay tany mandra-pamerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tany Jerosalema tamin’ny 537 al.f.i. Noho izany, io fahafoanana io dia nanomboka tamin’ny 607 al.f.i.c — Jer. 29:10; 2 Mpanj. 25:1-26; Ezra 3:1-6.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara