FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fanisan-taona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Fanisan-taona persianina. Maro ny zavatra niavaka tantarain’ny Baiboly nitranga tamin’ny andron’ny Persianina: Nianjera i Babylona ka nafahan’i Kyrosy ny Jiosy, ary nifarana ireo 70 taona nahalao an’i Joda; naorina indray ny tempolin’i Jerosalema, ary vita “tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy [I, Persianina]”; namboarin’i Nehemia indray ny mandan’i Jerosalema, araka ny didy nivoaka tamin’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy Lava Tanana.​—2Ta 36:20-23; Ezr 3:8-10; 4:23, 24; 6:14, 15; Ne 2:1, 7, 8.

      Ny lisitry ny mpanjaka nataon’i Ptolemée sy ny soratra hafa koa no nahalalana fa nianjera tamin’ny 539 T.K. i Babylona. Lazain’ny mpahay tantara toa an-dry Diodore, Africanus, ary Eusèbe fa ny taona voalohany nitondran’i Kyrosy mpanjakan’i Persia dia tamin’ny taona voalohany Olympiady faha-55 (560/559 T.K.), ary ny taona farany nitondrany dia tamin’ny taona faharoa Olympiady faha-62 (531/530 T.K.). Lazain’ny takelaka misy soratra miendri-pantsika fa nanjaka sivy taona tao Babylona i Kyrosy, ka voaporofo fa tamin’ny 539 T.K. tokoa izy no nandresy an’i Babylona.​—Boky Momba ny Fanisan-taonan’ny Baiboly, nataon’i Jack Finegan, 1964, p. 112, 168-170; Fanisan-taona Babylonianina, 626 T.K.–75 A.K., p. 14; jereo ny lohatenikely etsy aloha hoe “Fanisan-taona babylonianina”, jereo koa PERSA, PERSIANINA.

  • Fanisan-taona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Tamin’ny 607 T.K. ka hatramin’ny niverenana avy tany an-tsesitany. Ity didim-pitsaran’i Jehovah momba an’i Joda ity no ahalalana an’io fe-potoana io: “Ho rava tanteraka ity tany manontolo ity ka higagan’ny olona. Ary ireo firenena ireo kosa hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona.”​—Je 25:8-11.

      Ny hany ampiharan’ny Baiboly an’ilay faminaniana momba ny 70 taona, dia ilay teo anelanelan’ny nahalao an’i Joda taorian’ny naharava an’i Jerosalema, sy ny nodian’ny Jiosy an-tanindrazana noho ny didy navoakan’i Kyrosy. Voalaza fa 70 taona no haharava an’i Joda. Toy izany no nahazoan’i Daniela an’ilay faminaniana satria hoy izy: “Izaho Daniela dia nandinika an’izay noraketin’ny boky, ka nahafantatra ny isan’ireo taona aharavan’i Jerosalema, araka ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia mpaminany. Fantatro àry fa fitopolo taona izany.” (Da 9:2) Hoy ny 2 Tantara 36:20, 21, momba ny nandresen’i Nebokadnezara an’i Jerosalema: “Dia nentiny ho babo tany Babylona izay sisa tsy matin-tsabatra, ka nanjary nanompo azy sy ny taranany, mandra-pitondran’ny fanjakan’i Persa. Izany dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia, mandra-panonitr’ilay tany ny sabatany. Nitandrina sabata ilay tany nandritra ny andro rehetra tsy nisian’ny mponina teo aminy, mandra-pahatapitry ny fitopolo taona.”

      Natao fahirano farany i Jerosalema tamin’ny taona faha-9 nitondran’i Zedekia (609 T.K.), ary resy ilay tanàna tamin’ny taona faha-11 nitondrany (607 T.K.). Taona faha-19 nitondran’i Nebokadnezara tamin’izay (isaina avy eo amin’ny 625 T.K., taona nahazoany fahefana). (2Mp 25:1-8) Kilan’ny afo ilay tanàna, rava ny manda, ary lasa tany an-tsesitany ny ankamaroan’ny mponina tamin’ny 607 T.K., tamin’ny volana fahadimy (volana Aba, mifanitsy amin’ny tapatapaky ny Jolay sy Aogositra). Navela hijanona tao kosa “ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga”, saingy rehefa nisy namono i Gedalia, ilay notendren’i Nebokadnezara hifehy azy ireo, dia nandositra tany Ejipta izy ireo, ka lao tanteraka i Joda. (2Mp 25:9-12, 22-26) Nitranga izany tamin’ny volana fahafito, izany hoe tamin’ny Etanima (na Tisry, mifanitsy amin’ny tapatapaky ny Septambra sy Oktobra). Nanomboka tamin’ny 1 Oktobra 607 T.K. teo ho eo àry ilay 70 taona nahalao an’i Joda, ary nifarana tamin’ny 537 T.K. Tamin’ny volana fahafito taona 537 T.K. no nisy Jiosy nody voalohany tany Joda, 70 taona taorian’ny nahalao tanteraka an’ilay tany.​—2Ta 36:21-23; Ezr 3:1.

  • Kyrosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Namoaka didy hoe mahazo mody ireo natao sesitany. Namoaka didy hanafahana an’ireo Jiosy tany an-tsesitany i Kyrosy. Izy tokoa àry ilay ‘mpiandry ondry voahosotr’i’ Jehovah hamonjy ny Israelita. (2Ta 36:22, 23; Ezr 1:1-4) “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persa”, izany hoe tamin’ny taona voalohany nifehezany an’i Babylona, no natao ilay antso avo. Miresaka momba “ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy” ny Daniela 9:1. Mety ho teo anelanelan’ny fotoana naharesy an’i Babylona sy ny “taona voalohany nanjakan’i Kyrosy” na nifehezany an’i Babylona izany. Raha izany no izy, dia nihevitra angamba ilay mpanoratra ny bokin’i Daniela hoe nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona 538 T.K. ilay taona voalohany nanjakan’i Kyrosy. Raha nisolo tena an’i Kyrosy anefa i Dariosy tamin’izy nanjaka tao Babylona, dia ho nitovy ny fotoana nanjakan’izy ireo, ka mety ho tamin’ny Nisana 538 ka hatramin’ny Nisana 537 T.K. no taona voalohany nanjakan’i Kyrosy, araka ny filazan’ny Babylonianina.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara