FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Hirama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • 2. Ilay mpanao asa tanana mahay izay nanamboatra fitaovana maro ho an’ny tempolin’i Solomona. Avy any Tyro ny rainy, fa mpitondratena “avy amin’ny fokon’i Naftaly” (1Mp 7:13, 14) sady “taranak’i Dana” (2Ta 2:13, 14) kosa ny reniny. Manazava ny manam-pahaizana sasany fa mety ho avy tamin’ny fokon’i Dana ny reniny, ary nanambady lehilahy avy tamin’ny fokon’i Naftaly saingy maty io vadiny voalohany io. Nanambady lehilahy avy any Tyro indray izy tatỳ aoriana.

      Nirahin’i Hirama mpanjakan’i Tyro (No. 1) io Hirama io, mba hanara-maso ilay asa fanorenana nampanaovin’i Solomona. Za-draharaha sy havanana tamin’ny asa momba ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, ary hazo mantsy i Hirama. Tena nahay nandoko lamba sy nanao asa sokitra ary namoron-javatra isan-karazany koa izy. Nahay nanao asa varahina ny rainy, ka azo inoana fa nampiofana azy hatry ny fahakeliny. Izany angamba no anisan’ny nahatonga azy hahay asa tanana.​—1Mp 7:13-45; 2Ta 2:13, 14; 4:11-16.

      Toa nantsoin’ny mpanjakan’i Tyro hoe Hiram-aby (angamba midika ara-bakiteny hoe “Hirama Raiko”) koa izy. (2Ta 2:13) Tsy te hilaza akory ilay mpanjaka hoe rainy niteraka azy i Hirama, fa kosa hoe ‘mpanolo-tsainy’ na ‘mpanao asa tanana tena nahay.’ Toy izany koa ilay anarana hoe Hiram-abivy (ara-bakiteny: “Hirama Rainy”), izay toa midika hoe: ‘Hirama no mpanao asa tanana tena nahay’ tamin’ireo mpiasan’ilay mpanjaka.​—2Ta 4:16.

  • Hiram-aby
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • HIRAM-ABY

      (Hiram-abỳ) [Hirama Raiko].

      Anarana hafa niantsoana an’ilay ‘olona mahay’ nirahin’ny mpanjakan’i Tyro hanamboatra fitaovana ho an’ny tempolin’i Solomona. Nantsoina hoe ‘ray’ angamba i Hirama, noho izy mpanao asa tanana tena nahay.​—2Ta 2:13; jereo HIRAMA No. 2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara