-
Fiadiana, Fitaovam-piadianaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nisy koa ny “ampinga kely” (heb.: magen), ary niara-nampiasaina tamin’ny fiadiana maivana toy ny tsipìka izy io matetika. Ny mpandefa zana-tsipìka mazàna no nitondra azy io, ohatra hoe ireo mpandefa zana-tsipìka benjaminita anisan’ny tafik’i Asa mpanjakan’ny Joda. (2Ta 14:8) Saika boribory foana ny ampinga kely, ary be mpampiasa kokoa noho ny ampinga lehibe. Ireo miaramila nifanandrina nivantana angamba no tena nampiasa azy io. Samy hafa be ny hangezan’ny tsinnah sy ny magen, raha ireo ampinga volamena namboarin’i Solomona no anombanana azy. Avo efatra heny noho ny volamena lany tamin’ny ampinga kely mantsy ny volamena tamin’ireo ampinga lehibe. (1Mp 10:16, 17; 2Ta 9:15, 16) Toa anisan’ireo fitaovam-piadiana fampiasa foana ny magen sy ny tsinnah.—2Ta 14:8; 17:17; 32:5.
-
-
Trano Alan’i LibanonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nataon’i Solomona tao amin’ilay trano ny ampinga lehibe 200 (norakofana sekely volamena 600 izy tsirairay [77 000 dolara eo ho eo]), sy ny ampinga kely 300 (norakofana volamena telo mina izy tsirairay [19 300 dolara eo ho eo]), izay samy vita tamin’ny volamena misy fangarony. Maherin’ny 21 tapitrisa dolara àry ny vidin’ny volamena natao tamin’ireo ampinga ireo. Nisy fitaovana volamena maro hafa koa tao amin’ilay trano. (1Mp 10:16, 17, 21; 2Ta 9:15, 16, 20) Lasan’i Sisaka mpanjakan’i Ejipta anefa ireo ampinga volamena, tamin’ny andron’i Rehoboama Mpanjaka zanak’i Solomona. Nosoloan’i Rehoboama ampinga varahina àry izy ireny, ary napetrany ho andraikitry ny lehiben’ny mpihazakazaka, dia ireo mpiambina ny fidirana mankao an-tranon’ny mpanjaka.—1Mp 14:25-28; 2Ta 12:9-11.
-