-
RajakoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
RAJAKO
[Heb.: kôhf].
Mety ho gidro lava rambo noresahin’ny mpanoratra fahiny hoe avy any Etiopia, ireo rajako nohafaran’i Solomona Mpanjaka. (1Mp 10:22; 2Ta 9:21) Misy kosa milaza fa nentin’ny andian-tsambon’i Solomona avy any Inde na Sri Lanka izy ireny, satria toa iray tarika amin’ny teny sanskrit hoe kapi ny hoe kôhf (heb.), ary avy any Azia atsimoatsinanana ny vorombola niara-nentina taminy. Tsy voatery ho avy any amin’ny tany niaviany, na avy amin’ny toerana iray ihany, anefa ny zavatra niara-nohafarana. Efa nisy fifanakalozana ara-barotra mantsy teo amin’i Inde sy Afrika, na dia talohan’ny andron’i Solomona aza.—Jereo TARSISY No. 4; VOROMBOLA.
-
-
Eziona-geberaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsara homarihina fa sady nankany Ofira no nankany Tarsisy ireo sambon’i Solomona sy ny an’i Josafata. (2Ta 9:21; 20:36, 37) Misy tsy mino hoe ny sambo fahiny avy any Eziona-gebera ve dia ho tonga tany Tarsisy, izay voaporofo fa tany Espaina. Miresaka momba izany ny TARSISY No. 4, ka milaza fa nety ho nisy lakandrano teo amin’i Neily sy ny Ranomasina Mena. Mety ho io lakandrano io no nahafahan’i Hirama Mpanjaka nandefa “sambo” fa tsy olona fotsiny, mba hampiasain’i Solomona tany Eziona-gebera sy Elota (Elata). (2Ta 8:17, 18) Misy milaza koa anefa hoe mety ho nalefa tany amin’ny toerana iray teo amoron-tsirak’i Filistia ireny sambo ireny, dia noravana, ka notaterina an-tanety ho any amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, ary tany no natambatra indray. Izany mantsy, hono, no nataon’ireo Katolika niady tamin’ny Silamo fahiny. Na ahoana na ahoana no nandefasana an’ireny sambo ireny, dia azo inoana fa hazo avy tany an-toeran-kafa nisy ala no nalefa tany Eziona-gebera, satria hazo palmie no betsaka tany, ka tsy azo nanaovana sambo.
-