FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Novalian-tsoa ny Tsy Fivadihan’i Joba
    Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Mey
    • Tsy tokony hifaly tamin’ny fampietrena azy ireo anefa i Joba. Eny tokoa, i Jehovah dia nitaky ny hivavahany ho an’ireo mpiampanga azy. Nanao araka ny toromarika nomena azy indrindra i Joba, ary notahina izy, noho izany. Voalohany, dia nositranin’i Jehovah ny aretina nahatsiravina nahazo azy. Avy eo, dia tonga nampionona azy, ireo rahalahy sy anabavy ary naman’i Joba teo aloha, “ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra”.a Fanampin’izany, i Joba dia “nanana ondry aman-osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo”.b Miharihary fa nihavana taminy indray ny vadin’i Joba. Rehefa nandeha ny fotoana, dia notahina tamin’ny fananana zanakalahy fito sy zanakavavy telo i Joba, ary velona ka nahita ny zafindohaliny. — Joba 42:10-17.

  • Novalian-tsoa ny Tsy Fivadihan’i Joba
    Ny Tilikambo Fiambenana—1998 | 1 Mey
    • a Tsy voafaritra ny tokom-bidin’ny “vakim-bola iray” (Hebreo: qesi·tahʹ). Ny “volafotsy zato” kosa anefa dia azo nividianana tany lehibe, tamin’ny andron’i Jakoba. (Josoa 24:32). Noho izany, “ny vakim-bola iray” avy tamin’ny mpitsidika tsirairay dia azo inoana fa fanomezana lehibe.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara