-
AmenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Toy izao avy no nampiasana ny hoe “Amena” ao amin’ny Soratra Hebreo: Rehefa manaiky an’izay voalaza ao amin’ny fianianana na fifanekena na manaiky izay ho vokany raha tsy mahatanteraka an’ilay izy (No 5:22; De 27:15-26; Ne 5:13), rehefa manaiky an’izay voalaza ao amin’ny vavaka (1Ta 16:36) na fiderana (Ne 8:6) na fikasana (1Mp 1:36; Je 11:5). Samy mifarana amin’ny hoe “Amena” ireo fizarana efatra voalohany ao amin’ny Salamo. Fanaon’ny fiangonan’Israely angamba ny niara-nanao hoe “Amena”, rehefa vita ny hira na salamo iray.—Sl 41:13; 72:19; 89:52; 106:48.
-
-
AmenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mety ny manao hoe “Amena” amin’ny faran’ny vavaka, rehefa jerena ny vavaka ao amin’ny 1 Tantara 16:36 sy ny Salamo (41:13; 72:19; 89:52; 106:48) ary ireo taratasy anisan’ny Soratra Masina. Marina fa tsy nifarana tamin’ny hoe “Amena” ny vavaka nataon’i Davida ho an’i Solomona (1Ta 29:19), na ny vavak’i Solomona rehefa notokanana ny tempoly. (1Mp 8:53-61) Mety ho nisy niteny hoe “Amena” ihany anefa tamin’izay. (Mariho ny 1Ta 29:20.) Tsy voalaza koa hoe niteny izany i Jesosy (Mt 26:39, 42; Jn 17:1-26) na ny mpianany rehefa nivavaka. (As 4:24-30) Maro anefa ny porofo hitantsika teo fa mety ny manao hoe “Amena” rehefa vita ny vavaka. Nohamafisin’i Paoly fa niara-nanao hoe “Amena” ny Kristianina tafavory rehefa nifarana ny vavaka. (1Ko 14:16) Nanao toy izany koa ireo any an-danitra. (Ap 5:13, 14; 7:10-12; 19:1-4) Mety àry ny manao hoe “Amena” rehefa mivavaka na mianiana. Feno toky mantsy ireo miteny hoe “Amena”, ary tena manaiky an’izay voalaza sady manantena ao am-pony ao hoe ho tanteraka izany.
-