FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ho tonga ny faran’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Oktobra
    • 12. Solontenan’Andriamanitra Avo Indrindra lehibe iza moa no nasehon’i Melkizedeka, ary Salamo inona nataon’i Davida no miresaka aminy amin’ny maha-mpisorona sy mpiady?

      12 Rehefa avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy i Abrahama, dia nitso-drano azy i Melkizedeka. I Melkizedeka mpanjaka sady mpisorona dia nampiseho ara-paminaniana Ilay ho Mpisoronaben’Andriamanitra Avo Indrindra sady mpiady mahery tohanan’ilay Andriamanitra Ambony Indrindra. Ny Salamo faha-110, nosoratan’i Davida mpanjaka mpiady teo ambany tsindrimandry, dia miresaka amin’Ilay lehibe kokoa noho i Melkizedeka tao Salema rehefa nilaza hoe: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao. Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka. Ny Tompo [Jehovah, MN ] eo an-kavananao dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany.” — Salamo 110:2, 4, 5.

      13. Ampahafantarina ho iza moa ilay lehibe noho i Melkizedeka taloha ao amin’ny Hebreo toko faha-7 sy faha-8, ary tao amin’ny toerana mendri-kaja inona no nidiran’izy io, nitondra karazana fanatitra inona?

      13 Nampahafantatra ny maha-izy an’Ilay tena nandefasana ireo teny ireo ny mpanoratra nahazo tsindrimandry ny bokin’ny Hebreo rehefa niteny hoe: “Tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe ‘mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka’ Izy.” (Hebreo 6:20.) Voazava ao amin’ny toko manaraka amin’ny Hebreo ny fahalehibeazan’ilay Melkizedeka taloha. Na dia izany aza anefa, ny fahalehibeazany amin’ny maha-mpisorona dia latsaka noho ny an’Ilay nanana azy ho tandindona, dia i Jesosy Kristy tafatsangana sy nomem-boninahitra, izay niditra teo anatrehan’ny fisiana masin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy nitondra ny vidin’ny sorona lehibe lavitra noho izay nety ho naterin’i Melkizedeka mpanjaka sady mpisorona. — Hebreo 7:1–8:2.

  • Ho tonga ny faran’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Oktobra
    • 17. Iza no hirahin’i Jehovah mba hiady ho an’ny anarany, ary inona no hasehony amin’ireo firenena rehetra ankehitriny amin’izany?

      17 Amin’ny fotoana mety, i Jehovah Andriamanitra dia haniraka an’i Jesosy Kristy, ilay Melkizedeka Lehibe, amin’ny maha-mpiady mahery. Amin’ny alalany no hanaovan’i Jehovah anarana ho an’ny tenany mihoatra noho izay rehetra mety ho voalazalaza ao amin’ny bokin’ny Adin’i Jehovah tamin’ny lasa sy ny ao amin’ny Soratra Hebreo amin’ny Baiboly Masina. Ao amin’ny toko farany amin’ny boky alohan’ny farany amin’ny Soratra hebreo, dia nambara mialoha ny amin’ny fanafihana iraisam-pirenena an’i Jerosalema. Amin’izay, mifanaraka amin’ny Zakaria 14:3, dia “hivoaka Jehovah ka hiady amin’ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ny andro fiadiana”. Amin’izany fomba izany no hanehoan’ilay Andriamanitry ny Baiboly amin’ireo firenena rehetra ankehitriny fa mbola ilay Andriamanitra mpiady tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny ihany izy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara