FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Boky Iray Azo Ampiharina eo Amin’ny Fiainana Maoderina
    Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra
    • Tsy tokony ho tafahoatra na oviana na oviana anefa ny fahefan’ny ray aman-dreny—“ny tsorakazo famaizana.”b (Ohabolana 22:15; 29:15) Mampitandrina ny ray aman-dreny toy izao ny Baiboly: “Aza manitsy ny zanakareo amin’ny fomba tafahoatra, fandrao hanaisotra aminy ny herim-pony rehetra ianareo.” (Kolosiana 3:21, Phillips) Eken’ny Baiboly koa fa tsy ny fomba fampianatra mandaitra indrindra akory ny sazy ara-batana. Hoy ny Ohabolana 17:10: “Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ny hendry noho ny kapoka injato amin’ny adala.” Ankoatra izany, ny Baiboly dia manoro hevitra ny hisian’ny lalàm-pifehezana ho fisorohana. Ao amin’ny Deoteronomia 11:19, ny ray aman-dreny dia ampirisihina mba hahay hanararaotra ireo fotoana tsy misy faneriterena, mba hampianarana tsikelikely fari-pitsipika ara-pitondran-tena an’ireo zanany.—Jereo koa ny Deoteronomia 6:6, 7.

  • Boky Iray Azo Ampiharina eo Amin’ny Fiainana Maoderina
    Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra
    • b Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny teny hoe “tsorakazo” (hebreo: sheʹvet) dia nidika hoe “tapa-kazo lavalava” na “tehina”, toy ilay ampiasain’ny mpiandry ondry.10 Eto ny tsora-kazon’ny fahefana dia toa manondro tari-dalana feno fitiavana, fa tsy herisetra feno fahasiahana akory.—Ampitahao amin’ny Salamo 23:4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara