-
Mpandefa Zana-tsipìkaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Heviny an’ohatra. Nanao ny tsy rariny tamin’i Josefa ny rahalahiny, ka hoy i Jakoba: “Tsy nitsahatra nampahory sy nitifitra azy ny mpandefa [a.b.t.: tompon’ny] zana-tsipìka.” (Ge 49:23) Nihevitra i Joba fa nankahala azy Andriamanitra ka hoy izy: “Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany.” (Jb 16:13) Avy amin’ny hoe ravav (“mitifitra”) ny teny hebreo hoe rav nadika eo hoe “mpandefa zana-tsipìka.” (Ge 49:23) Hoy ny Ohabolana 26:10: “Izay manakarama ny tsisy saina na manakarama ny mpandalo, dia toy ny mpandefa zana-tsipìka [rav] manatrobaka ny zava-drehetra.” Hahita olana àry izay mampiasa olona tsy mahay ny asa ampanaovina azy.
-
-
KaramaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mila jerena tsara raha mahay ilay olona karamaina, satria hoy ny Ohabolana 26:10: “Izay manakarama ny tsisy saina na manakarama ny mpandalo, dia toy ny mpandefa zana-tsipìka manatrobaka ny zava-drehetra.”
-