FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fahalalana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Ilay manome fahalalana. I Jehovah no manome fahalalana. Avy aminy ny aina, ary izay velona ihany no afaka mahazo fahalalana. (Sl 36:9; As 17:25, 28) Namorona ny zava-drehetra koa Andriamanitra, ka ny fandinihana ny zavaboariny no ahazoana fahalalana. (Ap 4:11; Sl 19:1, 2) Nampanoratra ny Teniny koa izy mba hahalalan’ny olona ny sitrapony sy ny fikasany. (2Ti 3:16, 17) I Jehovah àry no fototry ny tena fahalalana rehetra. Tokony hatahotra azy ny olona mikatsaka an’izany mba tsy hampahatezitra azy. Io tahotra io no fiandoham-pahalalana. (Oh 1:7) Afaka ny hahazo fahalalana marina tsara àry ny olona matahotra azy, fa ho mora hanatsoaka hevi-diso momba izay hitany kosa ny olona tsy miraharaha azy.

  • Ohabolana, Bokin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Ahazoana fiainana ny fahalalana an’i Jehovah. Imbetsaka ny Ohabolana no mampifandray ny fahalalana amin’ny fahaiza-manavaka, fahendrena, fahiratan-tsaina, ary fahaiza-misaina. Tsy ny hahalala zavatra be dia be fotsiny àry no ampirisihina antsika. Ny fiheverana ho zava-dehibe ny fifandraisana amin’i Jehovah kosa no fiandohan’ny tena fahalalana, hoy ny Ohabolana. Toy izao mantsy ny loha hevitr’ilay boky: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana.”​—Oh 1:7.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara