FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Jehovah no Manome Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Novambra
    • Tamin’ny tenin’ny ray iray feno fitiavana, dia nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka hendry teo amin’ny Isiraely fahiny: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao [fahaiza-manavaka, “NW”] ny fonao; eny, raha miantso ny [fahaiza-mahazo hevi-javatra, “NW”] hianao ary manandratra ny feonao hahazo [fahaiza-manavaka, “NW”], raha [tsy mitsahatra, “NW”] mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary [tsy mitsahatra, “NW”] mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” — Ohabolana 2:1-5.

  • “Jehovah no Manome Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Novambra
    • Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa araka ny tokony ho izy ny fahalalana nomen’Andriamanitra. Ary mahatalanjona erỳ ny fomba anomezan’ny Baiboly ny fahendrena! Eny, mirakitra tenim-pahendrena, toy ireo ao amin’ny bokin’ny Ohabolana sy ny Mpitoriteny, izy io, ary ilaintsika ny manongilan-tsofina amin’ireny teny ireny. Mahita ohatra maro, izay mampiseho ny soa azo avy amin’ny fampiharana ireo foto-pitsipika araka an’Andriamanitra, sy ny fandriky ny tsy firaharahana azy ireny, koa isika ao amin’ireo pejin’ny Baiboly. (Romana 15:4; 1 Korintiana 10:11). Diniho, ohatra, ilay fitantarana ny amin’i Gehazy mpierina, ilay mpanampy an’i Elisa mpaminany. (2 Mpanjaka 5:20-27). Tsy mampianatra antsika ve izy io fa fahendrena ny manalavitra ny fitsiriritana tafahoatra? Ary ahoana ny amin’ilay vokatra nampalahelo naterak’ireo fitsidihana toa tsy nampaninona nataon’i Dina, zanakavavin’i Jakoba, tany amin’ireo “zazavavy tompon-tany” tao Kanana? (Genesisy 34:1-31). Tsy hitantsika mora foana ve ny maha hadalana ny fifaneraserana ratsy? — Ohabolana 13:20; 1 Korintiana 15:33.

      Mitaky fahazoana fahaiza-manavaka sy fahaiza-mahazo hevi-javatra ny hoe manongilan-tsofina amin’ny fahendrena. Araka ny Webster’s Revised Unabridged Dictionary, ny hoe fahaiza-manavaka dia “ny fahafahana na ny fahaizan’ny saina manavaka zavatra iray amin’ny iray hafa”. Ny fahaiza-manavaka araka an’Andriamanitra dia ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy, ary avy eo dia mifidy ny lalana mety. Ahoana no ahafahantsika mijanona eo amin’ny “làlana izay mankany amin’ny fiainana”, raha tsy ‘mampitandrina ny fontsika’ amin’ny fahaiza-manavaka, na hoe dodona ny handray azy io, isika? (Matio 7:14; ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:19, 20.) Ahazoana fahaiza-manavaka ny fianarana sy fampiharana ny Tenin’Andriamanitra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara