FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Jehovah no Manome Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Novambra
    • Tamin’ny tenin’ny ray iray feno fitiavana, dia nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka hendry teo amin’ny Isiraely fahiny: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao [fahaiza-manavaka, “NW”] ny fonao; eny, raha miantso ny [fahaiza-mahazo hevi-javatra, “NW”] hianao ary manandratra ny feonao hahazo [fahaiza-manavaka, “NW”], raha [tsy mitsahatra, “NW”] mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary [tsy mitsahatra, “NW”] mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” — Ohabolana 2:1-5.

  • “Jehovah no Manome Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 15 Novambra
    • Ilay teny miverimberina hoe “raha”, ao amin’ny andalan-teny fanokafana ny toko faharoa amin’ny Ohabolana, dia arahin’ny teny toy ny hoe ‘mandray’, ‘mandrakitra’, “miantso”, “tsy mitsahatra mitady”, “tsy mitsahatra mikatsaka”. Nahoana ilay mpanoratra no mampiasa ireo teny mihamahery hatrany ireo? Hoy ny boky iray: “Ilay olon-kendry [eto] dia manantitrantitra ny ilana fahazotoana eo amin’ny fikatsahana fahendrena.” Eny, tsy maintsy mikatsaka amim-pahazotoana ny fahendrena sy ireo toetra mifandray aminy — ny fahaiza-manavaka sy ny fahaiza-mahazo hevi-javatra — isika.

      Hanao ilay fiezahana ve ianao?

      Ny lafiny lehibe iray eo amin’ny fikatsahana fahendrena dia ny fianarana amim-pahazotoana ny Baiboly. Io fianarana io anefa dia tokony hihoatra noho ny famakian-teny mba hahazoana fahalalana fotsiny. Ny fisaintsainana misy zava-kendrena ny amin’izay vakintsika, dia tapany tena ilaina amin’ny fianarana ny Soratra Masina. Ny fahazoana fahendrena sy fahaiza-manavaka dia mahafaoka fisaintsainana ny amin’ny fomba ahafahantsika mampiasa izay ianarantsika, mba handaminana zava-manahirana sy handraisana fanapahan-kevitra. Ny fahaiza-mahazo hevi-javatra dia mitaky ny andinihana ny fomba ifanarahan’ilay fanazavana vaovao amin’izay efa fantatsika. Iza no tsy hanaiky fa mitaky fotoana sy ezaka mafy ny fianarana ny Baiboly amim-pisaintsainana toy izany? Ny fampiasam-potoana sy hery amin’izany dia mitovy amin’izay nolanina amin’ny ‘fitadiavana volafotsy sy fikatsahana harena afenina’. Hanao ny fiezahana ilaina ve ianao? ‘Haka ny fotoana azo hararaotina’ ve ianao, mba hanaovana izany? — Efesiana 5:15, 16, NW.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara