FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Izay “Tokony Hataon’ny Olona Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Febroary
    • 13. a) Ahoana no anampian’ny Mpitoriteny 9:4, 5 antsika hanana fomba fijery mety, mahakasika ny fikelezana aina mba hahazo laza na fahefana? b) Zava-misy inona avy no tokony hatrehintsika raha toa ka tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

      13 Midika ho inona moa izany laza na fahefana izany rehefa mandeha ny fotoana? Rehefa lasa ny taranaka iray ka tonga ny iray hafa, dia maty ary hadino ireo olona nalaza na nanam-pahefana. Marina izany raha ny amin’ireo mpanao fanorenana, ireo mpitendry zavamaneno sy mpanakanto hafa, ireo mpanao fanavaozana ara-tsosialy sy ny toy izany, tsy misy hafa amin’ny maha-marina izany ho an’ny ankamaroan’ireo mpanao politika sy mpitari-tafika. Olona voafaritra tsara firy tao amin’ireo asa ireo, izay velona teo anelanelan’ireo taona 1700 sy 1800, no fantatrao? Nanomban-javatra araka ny mety toy izao i Solomona: “Ny amboa velona no tsara noho ny liona maty. Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, (...) fa hadino ny fahatsiarovana azy.” (Mpitoriteny 9:4, 5). Ary raha tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany, dia tena zava-poana tokoa ny fikelezana aina mba hahazoana laza sy fahefana.a

  • Izay “Tokony Hataon’ny Olona Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Febroary
    • a Nanao izao fanamarihana feno hevi-dalina izao indray mandeha Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy): “Tsy tokony handanilany foana izao fiainana izao amin’ny zava-poana isika (...). Raha tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany, dia tsy misy na inona na inona zava-dehibe. Izao fiainana izao dia toy ny baolina atsipy eny amin’ny rivotra, izay tsy ela dia mianjera indray amin’ny vovoka. Izy io dia rahona mihelina, voninkazo mihamalazo, bozaka hotapahina sy ho maina tsy ho ela. (...) Raha atao eo amin’ny mizana ny mandrakizay, dia pentina faran’izay bitika amin’izany ny androm-piainantsika. Raha renirano mikoriana ny fotoana, dia tsy piti-drano vaventy akory ilay izy. Azo antoka fa marina [ny an’i Solomona] raha nijery indray ireo zavatra ahina sy asa maro eo amin’ny fiainan’olombelona izy ka nilaza azy ireny ho zava-poana. Vetivety kely isika dia maty, hany ka toa aleo aza tsy ary, inona izay olona iray eo amin’ny arivo tapitrisa izay tonga sy lasa, ary vitsy dia vitsy tokoa aza no mba mahafantatra fa teto isika. Io fomba fijery zavatra io akory tsy mampiseho fironana hanasongadina ny lafy ratsin-javatra, na mahaketraka, na manjombona, na maloka. Izy io dia fahamarinana, zava-misy tsy maintsy atrehina, fomba fijery araka ny tena izy, raha toa ka tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany.” — 1 Aogositra 1957, pejy faha-472.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara