-
Fiadiana, Fitaovam-piadianaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Miaramila romanina mihazona ampinga
Ampinga. Fiadiana fiarovana nivelatra be izy io, ary nampiasa azy ny firenena rehetra fahiny. Nampiasain’ny miaramila tany an’ady izy io. Avy tao anatiny no fihazonana azy, ary matetika izy io no natao teo amin’ny sandry havia na nohazonin’ny tanana havia. Nahantona teo an-tsoroka angamba izy io rehefa teny an-dalana hiady. Milaza ny Isaia 22:6 fa nety ho nasiana sarony ny ampinga sasany, ka nesorina ilay izy rehefa hiady. Matetika no natao tao amin’ny trano fitehirizana fitaovam-piadiana ny ampinga, rehefa tsy nisy ady.—To 4:4.
-
-
Fiadiana, Fitaovam-piadianaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Miseho impito ao amin’ny Soratra Hebreo ny teny hoe shelet, izay adika hoe “ampinga boribory.” Azo inoana fa mitovy amin’ny magen (ampinga) ihany izy io, satria miara-tononina amin’ny magen ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 4:4.
-