FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • 28. Fahadisoana inona teo amin’ny fahaiza-mitsara zavatra no nataon’i Hezekia, fotoana kely taorian’ilay fahagagana nahasitrana azy?

      28 Na dia nahatoky aza i Hezekia, dia olona tsy tanteraka ihany. Nanao fahadisoana lehibe iray teo amin’ny fahaiza-mitsara zavatra izy, fotoana kely taorian’ny nanasitranan’i Jehovah azy. Hoy ny fanazavan’i Isaia: “Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodakabaladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana. Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany rehetra.”​—Isaia 39:1, 2.b

      29. a) Inona no nety ho antony nanosika an’i Hezekia hampiseho ny harenany tamin’ireo solontena babylonianina? b) Inona avy no ho vokatry ny fahadisoana teo amin’ny fahaiza-mitsara zavatra nataon’i Hezekia?

      29 Na dia taorian’ilay faharesena namaivay nampiharin’ilay anjelin’i Jehovah taminy aza, dia mbola nandrahona firenena maro, anisan’izany i Babylona, ihany i Asyria. Nety ho naniry hampiaiky volana ny mpanjakan’i Babylona, izay nety ho mpiray dina aminy any aoriana, i Hezekia. Kanefa, tsy tian’i Jehovah hikambana amin’ny fahavalony ny mponin’i Joda; tiany hitoky aminy kosa izy ireo! Nampahafantatra ny hoavy tamin’i Hezekia, tamin’ny alalan’i Isaia toy izao i Jehovah: “Avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka andro-any; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona (...). Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona ireo.” (Isaia 39:3-7). Eny, ilay firenena izay notadiavin’i Hezekia hampiekena volana indrindra no handroba ny rakitr’i Jerosalema amin’ny farany, ka hahatonga ny mponina tao aminy ho andevo. Vao mainka nandranitra ny fitsiriritan’ny Babylonianina ny fampisehoan’i Hezekia ny harenany tamin’izy ireo.

      30. Fihetsika tsara inona no nasehon’i Hezekia?

      30 Toa niresaka momba ilay nampisehoan’i Hezekia ny harenany tamin’ireo Babylonianina ny teny ao amin’ny 2 Tantara 32:26 manao hoe: “Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan’ny fahatezeran’i Jehovah ireo [fony] fahavelon’i Hezekia.”

  • Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
    • b Taorian’ny faharesen’i Sankeriba, dia nitondra volamena sy volafotsy ary zava-tsarobidy hafa ho fanomezana ho an’i Hezekia ireo firenena nanodidina. Milaza ny 2 Tantara 32:22, 23, 27 fa i “Hezekia [dia] nanana harena sy voninahitra be indrindra”, ary koa fa “nalaza teo imason’ny firenena rehetra izy”. Ireo fanomezana ireo dia nety ho nanampy azy hameno indray ny trano firaketany, izay nanjary foana rehefa avy nandoa hetra tamin’ny Asyrianina izy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara